Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 5:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Raha nanopy maso aho, dia indreo hitako nisy vehivavy roa nanidina; ny rivotra no nanampy tosika ny elany, fa nanana elatra toy ny an’ny vano izy. Noraisin’izy roa vavy ilay vata ka nentiny nisidina teny amin’ny habakabaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Dia natopiko ny masoko ka hitako fa indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan’ny tany sy ny lanitra ilay vata famarana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Raha nanopy maso aho, dia indreo hitako nisy vehivavy roa nanidina; ny rivotra no nanampy tosika ny elany, fa nanana elatra toy ny an’ny vano izy. Noraisin’izy roa vavy ilay vata ka nentiny nisidina teny amin’ny habakabaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ary natopiko ny masoko, dia nahita aho. Ary indro nisy vehivavy roa niseho, ka ny rivotra, nitsoka tamin’ny elany; nanana elatra toy ny an’ny vano izy; ary ny efah nentiny ho eo anelanelan’ny lanitra sy ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan’ny tany sy ny lanitra ny vata famarana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan'ny tany sy ny lanitra ny vata famarana.7

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Dia natopiko ny masoko ka hitako fa indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan’ny tany sy ny lanitra ilay vata famarana.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 5:9
9 Rohy Ifampitohizana  

Eny no manao akany ny voronkely; eny ambony kipresy no manao trano ny vano.


Na dia ny vano aza dia mahalala ny fotoanandro fifindrany lasy; ary ny domohina sy ny sidintsidina mbamin’ny tsikorovana koa samy mitandrina ny fotoana fiverenany, fa ny vahoakako kosa tsy mahalala ny fitsipiko.


Tsofy ny anjomara, fa ho toy ny voromahery ny fiantefan’ny loza amin’ny tanin’ny TOMPO. «Satria nandika ny fanekempihavanako ireo olon’i Israely ireo, hoy Izaho TOMPO, ary nanohitra ny fampianarako.


«Izao kosa no hofadînareo amin’ny vorona ka tsy hohaninareo: ny voromahery sy ankoay isan-karazany;


ny vanobe, ny vano isan-karazany, ny takodara ary ny ramanavy.


Dia nanontaniako ilay anjely niresaka tamiko hoe: –Hoentin’izy ireo aiza moa ity vata?


Fa na aiza na aiza misy ny faty dia any no hifamotoanan’ny voromahery.


Firenena avy lavitra, firenena avy any am-paran’ny tany sady tsy fantatrareo ny fiteniny, izany no hoentin’ny TOMPO hiady aminareo; tahaka ny voromahery miantonta hipaoka remby no hiavian’izany firenena izany aminareo:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra