Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 3:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ary nandidy ireo olona indray ilay anjely hanisy hamama madio eo an-dohan’i Josoa. Dia nasiany hamama madio ny lohany sady nampiakanjoiny fitafiana madio teo anatrehan’ilay anjelin’ny TOMPO izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary hoy aho: Aoka hasiana fehiloha madio eo an-dohany! Dia nasiany fehiloha madio teo an-dohany sady nampitafiany izy. Ary ilay Anjelin’NY TOMPO nijoro teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ary nandidy ireo olona indray ilay anjely hanisy hamama madio eo an-dohan’i Josoa. Dia nasiany hamama madio ny lohany sady nampiakanjoiny fitafiana madio teo anatrehan’ilay anjelin’ny TOMPO izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Ary hoy aho: «Aoka hasiana hamama madio eo an-dohany.» Dia nasian’izy ireo hamama madio teo an-dohany, sady notafiany izy; ary nitsangana teo ilay Anjelin’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin’i Jehovah dia nitsangana teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia hoy izaho: Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany. Ka dia nasiany hamama madio teo an-dohany, sady nampitafiny izy; ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia nitsangana teo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ary hoy aho: Aoka hasiana fehiloha madio eo an-dohany! Dia nasiany fehiloha madio teo an-dohany sady nampitafiany izy. Ary ilay Anjelin’NY TOMPO nijoro teo.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 3:5
13 Rohy Ifampitohizana  

Ny fahamarinana no akanjo fanaovako, ny fitandroako ny rariny no ihaingako tahaka ny lamba sy toy ny fehiloha.


Apetraho eo an-dohany ny satroka fehiloha, ary apetraho amin’ny satroka fehiloha kosa ny marika maha voatokana.


ny fitaratra sy ny akanjo somizo manify ary ny samboady sy ny lamba fisalobonana.


Hifaly dia hifaly amin’ny TOMPO aho; eny, hiravoravo amin’ny Andriamanitro satria ny famonjena no toa akanjo nampiakanjoany ahy ary ny fahamarinana no toa lamba nampitafiany ahy; ka faly toy ny mpampakatra misatroka fehiloha aho na toy ny ampakarina miraratra ny firavany.


Ankoatra izany, ireo mpisorona izay niditra tao amin’ny Toera-masina dia tsy mahazo mandeha any amin’ny kianja ivelany avy hatrany; fa tsy maintsy ao amin’ireo efitrano ireo no amelany ny fanamiana masina izay nentiny nanompo ny Tompo, ary ao koa no iakanjoany ireo fitafiany hafa alohan’ny hankanesany any amin’ny toerana misy ny sarambabem-bahoaka.»


Ary nilaza fanambarana tamin’i Josoa ilay anjelin’ny TOMPO nanao hoe:


Ary hakànao volafotsy sy volamena izany, dia hanaovanao satroboninahitra ka hapetrakao eo an-dohan’i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky;


dia miankohoka eo anoloan’Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana afovoany koa ireo loholona 24, mitsaoka ilay Velona mandrakizay mandrakizay sady manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ilay sezafiandrianana ka manao hoe:


Nanotrona io sezafiandrianana io dia nisy sezafiandrianana hafa 24; ary teo ambonin’ireo sezafiandrianana ireo dia nisy loholona 24 nipetraka, niakanjo akanjo fotsy sady nisatroka satroboninahitra volamena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra