Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 2:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «He! Ianareo izay naeliko any amin’ny vazan-tany efatra, mandosira ankehitriny, ialao ny tany avaratra.» Hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 E! E! Mandosira avy any amin’ny tany avaratra, hoy NY TOMPO; ianareo izay naeliko tany amin’ny rivotra efatry ny lanitra, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «He! Ianareo izay naeliko any amin’ny vazan-tany efatra, mandosira ankehitriny, ialao ny tany avaratra.» Hoy koa ny teny hentitry ny TOMPO hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Avia! Avia! Mandosira avy any amin’ny tany avaratra, - teny marin’i Iaveh, - fa naeliko eny amin’ny faravazantany efatra ianareo - teny marin’i Iaveh. -

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 He! he! mandosira avy any amin’ny tany avaratra, hoy Jehovah; fa aeliko ho toy ny rivotra efatry ny lanitra hianareo, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 He! he! mandosira avy any amin'ny tany avaratra, hoy Jehovah; fa aeliko ho toy ny rivotra efatry ny lanitra ianareo, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 E! E! Mandosira avy any amin’ny tany avaratra, hoy NY TOMPO; ianareo izay naeliko tany amin’ny rivotra efatry ny lanitra, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 2:10
41 Rohy Ifampitohizana  

Nampahafantarinao ahy tsara tokoa fa tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra; tsy ilainao ny sorona dorana manontolo sy ny sorona fanalana ny ota.


Kalesy an’arivony aman’alina ireo kalesin’ny Tompo Andriamanitra; ka avy any an-tendrombohitra Sinay Izy no mankao amin’ilay Toeramasina.


Hitoetra eo anivon’ny Israelita Aho sady ho Andriamaniny.


Mifalia sy miravoravoa, ry mponina ao Tsiôna, fa lehibe Ilay eo anivonareo, dia Ilay Masin’i Israely.


Izany no lalana hiverenan’ireo navotan’ny TOMPO, ka hahatongavany ao Tsiôna amin’ny fihobiana; haravoana mandrakizay no ho eny amin’ny endriny, hafaliana sy haravoana no hanenika azy fa handositra kosa ny alahelo aman-tsento.


Izao no teny tononin’ny TOMPO hamelezana azy: Manao tsinontsinona sy maneso anao ny tanàna kanton’i Tsiôna, ry Saneheriba; mihifikifi-doha ho fanamavoana anao ny tanànan’i Jerosalema.


Mihirà hira vaovao ho an’ny TOMPO; miderà Azy avy any am-paran’ny tany ianareo mpivezivezy eny an-dranomasina sy ianareo mponina any amin’ny nosy.


Mivoaha avy ao Babilôna, mandosira avy ao Kaldea! Amin’ny horakora-pifaliana no anambarao izao vaovao mahafaly izao, hatrany amin’ny faran’ny tany; torio ary aelezo izany, ka lazao hoe: «Ny TOMPO no nanavotra ny firenen’i Jakôba mpanompony!»


Eny, hiverina ireo nafahan’ny TOMPO ka hiditra ao Tsiôna amin’ny hobim-pandresena; ary hafaliana mandrakizay no ho hita taratra eny an-dohany, fientanana sy firavoravoana no hanenika azy fa handositra ny alahelo sy ny fisentoana!


Mialà ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO, mialà, mivoaha avy ao Babilôna. Aza mikasika izay maloto, fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!


Miravoravoa ianao, ry Jerosalema izay momba tsy niteraka; ianao izay tsy nihetsi-jaza akory, manaova horakora-pifaliana ka mihobia satria hoy ny TOMPO aminao: «Ry ilay mpitondratena, maro ny zanakao noho ny zanaky ny manam-bady.»


Hifaly dia hifaly amin’ny TOMPO aho; eny, hiravoravo amin’ny Andriamanitro satria ny famonjena no toa akanjo nampiakanjoany ahy ary ny fahamarinana no toa lamba nampitafiany ahy; ka faly toy ny mpampakatra misatroka fehiloha aho na toy ny ampakarina miraratra ny firavany.


Dia ho tsapanareo amin’izany fa ho dibo-kafaliana ny fonareo, ary ny taolanareo efa maina hahazo hery indray tahaka ny ahitra mirobona.» Hataon’ny TOMPO fantatr’ireo mpanompo Azy ny fahefàny; fa ho tezitra kosa amin’ny fahavalony Izy.


Re avy ao ny hira fiderana sy ny horakora-pifaliana. Tsy hihavitsy intsony ianareo, ry taranak’i Jakôba, fa hohamaroiko; tsy hatao tsinontsinona intsony ianareo, fa horakofako voninahitra.


Ho avy ireo ka hanao horakora-pifaliana ao amin’ny havoanan’i Tsiôna; ho miramirana endrika izy amin’ny zava-tsoa homen’ny TOMPO: dia ny vary sy divay vaovao ary diloilo, mbamin’ny ondry sy osy ary omby. Ho velombelona toy ny saha vonton-drano izy ka tsy mba hihamalazo intsony.


ny kotaban’ny fety sy ny horakora-pifaliana. Ho re ao indray ny hiran’ny mpanambady; ho re ao indray ny hira manao hoe: Derao ny TOMPOn’izao rehetra izao, fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany. Izany no hiran’ireo mitondra sorom-pisaorana mankao an-tranoko. Eny, hoy Izaho TOMPO, haveriko amin’ny laoniny toy ny fahiny izany tany izany.»


Hiara-monina aminareo Aho, ka Izaho ho Andriamanitrareo ary ianareo kosa ho vahoakako.


Ny manodidina ny tanàna dia mirefy sivy arivo metatra. «Manomboka hatreo ny tanàna dia hantsoina hoe ‹Ny TOMPO no ao›. »


Handeha miaraka aminareo Aho, ka Izaho ho Andriamanitrareo ary ianareo ho vahoakako.


Ny TOMPO Andriamanitrao no momba anao; mahery Izy ka hampandresy anao. Maneho ny hafaliany noho ny aminao Izy; ny fitiavany no anavaozany anao; noho ny aminao dia mientam-pihobiana Izy


Koa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia milaza hoe: Haneho indrafo no iverenako eto Jerosalema. Ho voaorina eto indray ny tranoko; ary ho voavoatra indray ny tanàna.› Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia miteny hentitra ny amin’izany. »


Dia io lohasaha nampivaky tendrombohitra io no lalana handosiranareo, satria hipaka hatrany Atsala izany. Eny, handositra ianareo, dia tahaka ny razanareo nandositra ny horohorontany tamin’ny andron’i Hozià mpanjakan’i Joda. Ary ho avy ny Tompo Andriamanitro miaraka amin’ireo anjeliny rehetra.


«He! Ry vahoakan’i Tsiôna voasesitany ao Babilôna, mitsoaha tao ianareo.»


Nanopy maso indray aho, ka indro hitako nisy lehilahy nihazona tady fandrefesana.


Koa Izaho TOMPO mihitsy no milaza fa efa tafaverina indray eto Tsiôna Aho ka monina eo afovoan’i Jerosalema. Ny hiantsoana an’i Jerosalema dia «Tanàna mahatoky.» ary ny hiantsoana an’i Tsiôna tendrombohitro dia «Tendrombohitra masina.»


Mifalia dia mifalia, ry mponin’i Tsiôna! Manaova fihobiana, ry vahoakan’i Jerosalema! Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo; marina sady mandresy Izy, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky, dia boriky tanora zana-borikivavy.


Ka hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo: «Indro Aho handefa ny irako mba hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo izay tadiavinareo dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny. Ho tonga hitondra ny fanekempihavanako ilay iraka izay irinareo; indro avy tokoa Izy!»


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin’ny Ray ho an’ny Zanaka lahitokana.


Dia novaliany hoe: –Raha misy olona tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ho tia azy ny Raiko, ary Izaho sy ny Raiko dia hankao aminy ka honina ao.


Dia haelin’ny TOMPO any amin’ny firenena rehetra hatrany amin’ny faran’ny tany ianareo; ary any no hanompoanareo andriamani-kafa vato aman-kazo voasokitra, andriamani-kafa izay tsy fantatry ny tenanareo na ny razambenareo akory.


Mifalia mandrakariva noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Mbola antitranteriko indray: mifalia! Manehoa fandeferana amin’ny olona rehetra.


–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Efeso: «Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eo an-tanany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fitoeranjiro volamena fito:


Ary nisy feo mahery reko avy teo amin’ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: «Indro ny fonenan’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Andriamanitra dia hiara-monina aminy; ka izy ireo ho vahoakany, ary ilay Andriamanitra miaraka aminy kosa ho Andriamanitr’izy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra