Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 12:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Amin’izany andro izany, ny firenen’i Joda dia hataoko tahaka ny afo mihanaka amin’ny ala na mirehitra ao ambanin’ny antontan’amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina azy na eo ankavanany na eo ankaviany. Ary ny mponin’i Jerosalema dia mbola hijanona ao an-tanànany ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Amin’izany andro izany, ireo lohany amin’i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra ao anaty kitay hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra ao anatin’ny amboara ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin’ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary i Jerosalema dia mbola hiorina amin’ny toerany ihany, dia any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Amin’izany andro izany, ny firenen’i Joda dia hataoko tahaka ny afo mihanaka amin’ny ala na mirehitra ao ambanin’ny antontan’amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina azy na eo ankavanany na eo ankaviany. Ary ny mponin’i Jerosalema dia mbola hijanona ao an-tanànany ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Amin’izany andro izany, ireo filohan’i Jodà, hataoko toy ny fatana mivaivay ao amin’ny hazo, toy ny fanilo mirehitra, ao anaty amboaram-bary, ka handevona ny firenena rehetra manodidina eo amin’ny ankavanana sy eo amin’ny ankavia, ary i Jerosalema dia mbola ho eo amin’ny fitoerana ao Jerosalema ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Amin’izany andro izany ireo lohany amin’ny firenen’i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin’ny hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra eny amin’ny amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin’ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary Jerosalema dia mbola hiorina amin’ny fitoerany ihany, dia any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Amin'izany andro izany ireo lohany amin'ny firenen'i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin'ny hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra eny amin'ny amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin'ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary Jerosalema dia mbola hiorina amin'ny fitoerany ihany, dia any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Amin’izany andro izany, ireo lohany amin’i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra ao anaty kitay hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra ao anatin’ny amboara ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin’ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary i Jerosalema dia mbola hiorina amin’ny toerany ihany, dia any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 12:6
25 Rohy Ifampitohizana  

satria miely miankavanana sy miankavia ianao: ny taranakao hahazo indray ny tanin’ny firenen-kafa, ary koa hipetraka indray amin’ireo tanànanao efa haolo.


ny fokon’i Manase mihinana ny fokon’i Efraîma, ny an’i Efraîma kosa mihinana ny an’i Manase, ary izy roa tonta no indray mamely ny fokon’i Joda. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.


Izao no lazain’ny TOMPO: Indro hovako ny anjaranareo, ry fianakavian’i Israely ka hiantrako ny tokantranonareo. Haorina indray eo amin’ny havoany. ireo tanàn-dehibe tsirairay avy ary eo amin’ny toerany taloha ireo trano tsara tarehy.


Ny taranak’i Jakôba ho toy ny afo, ny taranak’i Jôsefa ho toy ny lelafo; ny taranak’i Hesao kosa ho toy ny mololo ka harehitr’ireo sy holevoniny, ary tsy mba hisy sisa tavela amin’ny taranak’i Hesao. Izaho TOMPO no efa niteny!»


«Mitsangàna ka miveleza, ry mponina ao Tsiôna. Fa hataoko mahery ianareo, toy ny omby misy tandroka vy sy manan-kitro varahina, ka hanorotoro firenena maro. Ary ny harena voaangony ankeriny dia hatokanareo ho Ahy TOMPO, Izay tompon’ny tany tontolo.»


Koa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia milaza hoe: Haneho indrafo no iverenako eto Jerosalema. Ho voaorina eto indray ny tranoko; ary ho voavoatra indray ny tanàna.› Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia miteny hentitra ny amin’izany. »


Vohay ny varavaranao, ry Libano ô! ary aoka ny afo handevona ny sederanao!


Ary ny firenen’i Joda hanao anakampo hoe: «Ao amin’ilay Tompon’izao rehetra izao sady Andriamaniny no ahitan’ny mponin’i Jerosalema ny heriny».


Fa ny TOMPOn’izao rehetra izao, Ilay naniraka ahy tamim-pahefana, dia miteny amin’ireo firenena izay namabo anareo hoe: «Na zovy na zovy mikasika anareo, dia mikasika ny anakandriamasoko.


ka nanontany indray hoe: –Tonga mba hanao inona moa ireto? Ary dia namaly izy hoe: –Ireto kosa dia tonga hampihorohoro sy hampiongana ny firenena matanjaka izay nitsangana hanohitra ny firenen’i Joda sady nampihahaka ny vahoakany mba tsy hisy na iray aza hanohitra azy.


Ny Tompon’izao rehetra izao hiaro ny vahoakany; ka havandra vaventy no halefany hamotika sy hanorotoro ny fahavalony; dia hataony mikoriana ny ran’ireo ka hampiely ny ran’ny fahavalony mova tsy tahaka ny divay, na koa tahaka ny ram-biby atao sorona izay mameno ny tsangambava famafazana sy mandrakotra ny zoron’ny alitara.


amin’ny fitorianay ny marina ary amin’ny hery omen’Andriamanitra anay. Izay rariny no fiadiana ampiasainay hanafihana sy hiarovan-tena,


Ary niakatra nanerana ny lafin-tany izy rehetra, ka nanodidina ny toby nisy ny vahoakan’Andriamanitra sady nanodidina ny tanàna lalain’Andriamanitra; kanjo nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandevona ireo firenena ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra