Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 11:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Henoy ny fidradradradran’ny mpiandry firenena fa nihintsana ny voninahiny. Henoy ny fieroneron’ny liona, fa rava ireo kirihitrala nireharehany teny amoron’ny ony Jôrdàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Injany ny fidradradradran’ny mpiandry ondry fa rava ny voninahiny; Injany ny fieron’ny liona tanora fa rava ny kirihitrala eny amoron’i Jordana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Henoy ny fidradradradran’ny mpiandry firenena fa nihintsana ny voninahiny. Henoy ny fieroneron’ny liona, fa rava ireo kirihitrala nireharehany teny amoron’ny ony Jôrdàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Re mitomany migogogogo ny mpiandry ondry, satria rava ny voninahiny; re mieronerona ny liona tanora, fa rava izay nireharehan’i Jordany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Injay! fidradradradran’ny mpiandry ondry! Fa rava ny voninahiny; Injay! fieron’ny liona tanora! Fa rava ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Injay! fidradradradran'ny mpiandry ondry! Fa rava ny voninahiny; Injay! fieron'ny liona tanora! Fa rava ny kirihitrala eny amoron'i Jordana

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Injany ny fidradradradran’ny mpiandry ondry fa rava ny voninahiny; Injany ny fieron’ny liona tanora fa rava ny kirihitrala eny amoron’i Jordana.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 11:3
34 Rohy Ifampitohizana  

Afaho tsy ho ritra tankina ny aiko, arovy aho tsy ho rembin’ireo alika,


Tahaka ny liom-bavy mierona no fandrenesana azy, eny, toy ny tigra mandrahona mafy ka mipaoka ny hazany sy mitondra azy, ary tsy misy maharombaka izany intsony.


Eo amin’ny olom-boafidiko dia hatao ohatra ny anaranareo amin’ny fomba fanozonana toy izao: «Hovonoin’ny Tompo ANDRIANANAHARY tahaka an-dRanona na Ranona anie ianao!» Ho fanasoavana ny mpanompoko kosa dia anarana hafa no hotononina aminy.


Tahaka ny fieron’ny biby masiaka no fandrahonan’ireo azy; ka nahatonga ny taniny ho lao sy nandorana ny tanànany ho tsy azo onenana.


Nikapoka anareo toy ny zanako Aho, fa tsy nahoanareo akory izany; tsy zaka nanarina ianareo. Tahaka ny liona namiravira no namonoanareo ny mpaminany ho fatin’ny sabatrareo.


Fa raha tsy mihaino ianareo, dia horavako tahaka ny nandravako ilay tao Silao ity trano ity; ary ny tanànan’i Jerosalema dia hataoko oha-panozonana any amin’ny firenena rehetra eran-tany.»›


Hoy koa ny TOMPO: «Indro Aho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna ka mirifatra mankany amin’ny fonenany; ka ao anatin’ny indray mipi-maso no hampandosirako ireo Edômita. Ary hapetrako hifehy ao Edôma ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?»


Hoy ny Tompo: «Indro Aho ho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna sy mirifatra mankany amin’ny fonenany ka ao anatin’ny indray mipi-maso no hampandosirako ny Babilônianina. Ary hapetrako ao Babilôna ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?»


Aza miantehitra amin’ny teny fitaka hoe: ‹Eto no tempolin’ny TOMPO, eto no tempolin’ny TOMPO, eto tokoa no tempolin’ny TOMPO!›


ka hanao hoe: «Ny reninareo ve? Toy ny liom-bavy izy no namitsaka teo afovoan’ireo lion-dahy! Teo anivon’ny liona tanora izy no nitorovoka nampinono ny zanany.


Ny mponin’i Samaria dia manaja ilay sarin’ombilahikely izay ao Bety-Avena, satria misaona azy ny vahoakany mbamin’ireo mihambo ho mpisorony. Ny voninahitr’ilay ombilahikely anie no aoka hiravoravoany, amin’izao izy lasa babo ho lavitra antsika izao!


Mitafia lamba fisaonana ary mitomania sy midradradradrà, ianareo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara. Avia ianareo hialina amin’alahelo, ry mpanao fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitro: fa tsy misy entina intsony ao an-tranon’Andriamanitrareo na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka.


Noho izany, dia hihorohoro ny tany ary hisaona ny mponina rehetra ao aminy; eny, hihorohoro tokoa ny tany tontolo, ka hisondrotra sy hietry tahaka an’i Neily onin’i Ejipta.


Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra lazaiko, ao Jerosalema dia handrenesana kiaka mafy eo am-bavahadin-trondro sy fitomaniana ao Antanambao ary firodanan-trano eny amin’ny havoana.


«Amin’izany andro izany, ry vahoakako, dia tsy ho menatra intsony ianao tamin’izay ratsy rehetra nataonao ka nanotanao tamiko. Hoesoriko tsy ho eo aminao ny mpirehareha rehetra ary tsy hiavonavona intsony ianao eo an-tendrombohitro masina.


Toy ny liona mierona ireo lehibeny; toy ny amboadia mihaza hariva ny mpitsarany, ka tsy mitahiry remby ho tra-maraina.


Midradradradra, ry kipresy, fa efa nazera ny sedera, dia ireo hazo mahafinaritra nijoalajoala. Midradradradra, ry hazo ôkan’i Basàna, fa ripaka ny ala mikitroka.


Tao anatin’ny iray volana monja dia telo ny mpiandry azy no noroahiko; avy eo dia lotika tamin’ny ondry ny foko, sady izy koa efa tofoka ahy.


Avelao any ireo, fa jamba mitantana jamba; ary raha misy jamba mifampitantana, dia hifamarina an-kady.


Iza moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’ireo mpanambara ny hahatongavan’ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra