Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 10:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ho toy ny mpiady mahery ireo, ka hanitsakitsaka ny mpifanandrina aminy toy ny fotaka eny an-dàlambe. Hiady ireo, satria Izaho Tompo no momba azy; ary dia ho safo-kenatra ny fahavalo mpitaingin-tsoavaly.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ho toy ny lehilahy mahery ireo, izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin’ny ady; hiady izy, satria NY TOMPO no momba azy; ary ny mpitaingin-tsoavaly dia hitafy henatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ho toy ny mpiady mahery ireo, ka hanitsakitsaka ny mpifanandrina aminy toy ny fotaka eny an-dàlambe. Hiady ireo, satria Izaho Tompo no momba azy; ary dia ho safo-kenatra ny fahavalo mpitaingin-tsoavaly.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Izy ireo ho toy ny mpiady mahery, manitsaka ny fotaka eny an-dalambe amin’ny ady; hiady izy ireo, satria omban’i Iaveh, ka hahasafo-kenatra an’ireo mitaingin-tsoavaly.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dàlana amin’ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin'ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ho toy ny lehilahy mahery ireo, izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin’ny ady; hiady izy, satria NY TOMPO no momba azy; ary ny mpitaingin-tsoavaly dia hitafy henatra.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 10:5
40 Rohy Ifampitohizana  

Kosehiko toa vovoka entin-drivotra ireny; hoseko toy ny fotaka eny an-dalam-be.


Tamin’izay dia nihovitrovitra mafy ny tany; nikorosy ny fiorenan’ny lanitra, ka nihozongozona ireny fa tezitra ny TOMPO.


Ka hoy izy taminy: –Azerao avy eny io vehivavy io! Dia natosiny avy eny am-baravarankely i Jezebela ka nianjera, ary nifantsitsitra tamin’ny rindrina sy ny soavaly ny rany; ka dia nohitsahin’i Jehò tamin’ny kalesiny izy.


Miantsoantso izy fa tsy misy mamonjy; ny TOMPO no antsoiny fa tsy mamaly azy.


Fantatro izao ankehitriny fa ny TOMPO manome fandresena ny mpanjaka nohosorany; avy any an-danitra toeramasiny no amaliany ny vavaka ataony, ka ny herin’ny tanany ankavanana no anolorany fandresena ho azy.


Raha handresy amin’ny ady ny mpanjaka, dia tsy noho ny hamaroan’ny miaramilany; ary raha afa-doza ny mpiady, dia tsy noho ny haben’ny heriny.


Ianao tokoa, ry Andriamanitra Mpanjakako, no manome fandresena an’i Jakôba vahoakanao.


Soa indrindra amin’ny samy olombelona ianao sady mahafinaritra ny teny ambaranao; koa aminao mandrakizay ny fitahian’Andriamanitra.


Nirahiko izy hamely firenena tsy mpivavaka ary nalefako hamely vahoaka ratsy fanahy mba handroba sy hanangona babo avy aminy, ka hanosihosy azy toy ny fotaka eny an-dalambe.


Fa hipetraka amin’ity tendrombohitra ity ny tanam-piarovan’ny TOMPO!» Fa i Môaba kosa hohosihosena eo amin’ny toerany toy ny fanosihosy mololo ao am-pahitra tondra-drano.


Lozan’izay midina any Ejipta mba hitady famonjena! Ny soavaly no ianteherany; ny kalesy no itokiany satria maro ireny; ary ny mpitaingin-tsoavaly no antenainy, satria mahery tokoa ireny; fa tsy andrandrainy akory ilay Masin’i Israely ary tsy anontaniany mihitsy ny TOMPO.


Hotadiavinao ireo mpisetrasetra anao fa tsy ho hitanao; hanjary tsinontsinona sy zava-poana ireo mpiady aminao.


Avy any avaratra no napoitrako ity lehilahy anankiray, ka dia tonga tokoa izy; avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro no hanononana ny anarany. Dia hanosihosy ny mpitondra toy ny fanosy fotaka izy, na toy ny fanaon’ny mpanefy mihosihosy tanimanga.


Mangovita ianareo, ry firenena, ka mihorohoroa fatratra! Aoka hanongilan-tsofina ianareo, ry faritra rehetra any lavitra any: hirongo fiadiana tokoa ianareo, nefa hihorohoro fatratra; eny, hirongo fiadiana tokoa ianareo, nefa hihorohoro fatratra.


ary ho tonga avy any amin’ny taninao any am-parany avaratra ianao, arahin’ny miaramila avy amin’ny firenena maro; samy mitaingin-tsoavaly avokoa ianareo ka mivondrona ho tafika goavana sy mahery.


Tsy hahajoro ny mpandefa zana-tsipîka, tsy ho afa-mitsoaka ireo faingan-tongotra, ary tsy hahavonjy ny ainy ny mpitaingin-tsoavaly.


Dia toy izany koa, aoka ny tananareo hiainga hamely izay manohitra anareo ary aoka ho ringana avokoa ny fahavalonareo!


Hahita izany ny fahavalonay ka ho rakotry ny henatra, dia ireo niteny taminay hoe: «Aiza ihany ny TOMPO Andriamanitrareo?» Ho finaritra izahay hahita azy ireo, fa amin’izay dia ho tonga fanosy toy ny fotaka eny an-dàlana izy.


Haongako ireo mpanjaka ary hofoanako ny herin’ny fanjakam-pirenena; hahohoko ny kalesiny sy ny mpamily azy; samy ho lavon’ny sabatra ka ho faty ireo soavaly ary hifamono koa ny mpitaingina azy.


Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra ambarako, dia hataoko mandraingiraingy ny tahotra avokoa ny soavaliny, ary ny mpitaingina azy ho lasa adala; hiambina tsara ny vahoakan’i Joda Aho, kanefa hampahajamba ny soavaly rehetra izay an’ny fahavalo.


Amin’izany fotoana izany dia harovan’ny Tompo ireo mponin’i Jerosalema; ka ny osa indrindra ao aminy dia hatanjaka tahaka an’i Davida, ary ny taranak’i Davida ho tahaka an’Andriamanitra, dia tahaka ny anjelin’ny Tompo mitarika azy eo aloha.


Amin’izany andro izany dia hasian’ny Tompo fifanjevoana tsy hifankahitana ao aminy, fa samy hanainga tanana hifamely izy.


Dia hiainga hiady amin’ireny firenena ireny ny Tompo, ka hiady toy izay fanaony amin’ny andro fiadiana.


Hampiasaiko toy ny tsipîkan’ady i Joda, ka i Efraîma no ho tahaka ny zana-tsipîkany. Ry Tsiôna, hotairiko ny vatan-dehilahinao hiady amin’ireo vatan-dehilahy grika; toy ny sabatry ny mpiady mahery no hampiasako ireo vatan-dehilahinao.»


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


ary nohatonin’ny mpaka fanahy Izy ka nataony hoe: –Raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, teneno ireo vato ireo hanjary mofo.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Zavatra inona moa izany? Ka novalian’izy roa lahy hoe: –Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, Izay mpaminany mahery tamin’ny asany sy tamin’ny teniny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka manontolo;


Tonga tao Efeso ity Jiosy atao hoe Apôlao, teraka tany Aleksandria, lehilahy mpandaha-teny mahay sady nahalala tsara dia tsara ny Soratra Masina.


Notezaina tamin’ny fahaizana isan-karazany nananan’ny Ejiptianina i Mosesy, ka tonga nahery tamin’ny teniny sy ny asany.


satria tsy fitaovam-piadiana malemy, araka ny an’ny olombelona, no entinay miady; fa fitaovam-piadiana mahery, araka an’Andriamanitra, mba hoenti-mandrava mànda. Ravànay ny hevitra diso


Raha miainga hanafika fahavalo ianareo, ka mahita soavaly sy kalesy ary tafika maro noho ny anareo, dia aza matahotra azy; satria ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay nampiakatra anareo avy tany Ejipta, no momba anareo.


Kanefa dia nijoro teo anilako ny Tompo ka nanome hery ahy mba hahatontosako soa aman-tsara ny fitorian-teny sady handrenesan’ireo rehetra hafa firenena izany; ary dia afaka teo am-bavan’ny liona aho.


Ny ady tsara no efa vitako, tratrako ny tanjon’ny fihazakazahana, voatanako ny finoana.


Ary tsy nisy andro tahaka iny, na taloha na taoriana, izay nihainoan’ny TOMPO hatak’olona; fa niady ho an’i Israely ny TOMPO.


Koa ny mpanjaka rehetra mbamin’ny taniny manontolo dia nalain’i Josoa tamin’ny famelezana indray mandeha ihany, satria ny TOMPO Andriamanitr’i Israely mihitsy no niady ho an’ny Israelita.


Ary hitako nisy anjely anankiray nitsangana teo amin’ny masoandro. Niantso tamin’ny feo mahery io anjely io ka nanao tamin’ny voro-manidina rehetra teny ana habakabaka hoe: «Avia, mivoria ianareo ho amin’ny fanasana lehibe ataon’Andriamanitra ho anareo,


Ary niteny ny iray tamin’ny mpanompony hoe: –Mahalala olona iray izay aho, dia ny zanakalahin’i Jisay any Betlehema; tena mahay mitendry zava-maneno izy sady lehilahy manana ny maha izy azy no miaramila matanjaka, ary koa mahay mikabary sy tsara tarehy, ary ny TOMPO dia momba azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra