Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 2:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Ny TOMPO anie hamaly soa ny nataonao, ka hisy valisoa mitafotafo ho anao avy amin’ny TOMPO Andriamanitr’Israely satria tonga hialoka eo ambany fiarovany ianao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Hamaly ny nataonao anie NY TOMPO ka homen’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin’ny elany ianao!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ny TOMPO anie hamaly soa ny nataonao, ka hisy valisoa mitafotafo ho anao avy amin’ny TOMPO Andriamanitr’Israely satria tonga hialoka eo ambany fiarovany ianao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Hamaly ny nataonao anie i Iaveh ary ho valisoa feno anie no horaisinao avy amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa efa eo ambany elany no nalehanao hialofana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie hianao, satria avy hialoka eo ambanin’ny elany hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Hamaly ny nataonao anie Jehovah. ka homen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin'ny elany ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Hamaly ny nataonao anie NY TOMPO ka homen’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin’ny elany ianao!

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 2:12
29 Rohy Ifampitohizana  

Tandremo toy ny anakandriamaso aho ka afeno sy arovy eo ambany elatrao


mahasarika noho ny volamena, dia ny vaingam-bolamena voadio; sady mamy noho ny tantely, dia ny tantely avy amin’ny tohotra.


Avo toy ireo tendrombohitra ny fahamarinanao; lalina toy ny ranomasina izany fitsarànao. TOMPO ô, samy vonjenao na olombelona na biby.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon’ny hoe «Aza ravana....» Salamo nataon’i Davida fony izy nandositra lavitra an’i Saoly ka niery tao anaty zohy.


Ny olo-marina hifaly hahita ny famaliana ny mpanota sy hanasa tongotra amin’ny ran’ireo olon-dratsy.


Ianao no fialofana ho ahy, tilikambo mafy anoloan’ny fahavalo.


Eo am-pandriana aho mahatsiahy Anao; tontolo alina, any aminao ny eritreritro


Harovany amin’ny elany ianao; eo ambany elany no hialofanao tahaka ny zanak’akoho eo ambany ela-dreniny. Ny fahamarinany no ampinga fiarovana,


Karama manodoka no raisin’ny olon-dratsy; fa valisoa azo antoka no an’izay mamafy fahamarinana.


satria azo antoka fa misy ny hoavy ary tsy ho foana ny fanantenànao.


Kanefa izao no lazain’ny TOMPO azy: «Atsaharo ny fitarainanao ary fafao ny ranomasonao fa hovaliako soa ny fisasaranao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Satria ireny zanakao ireny dia hiverina avy any an-tanin’ny fahavalony.


–Ry Jerosalema, ry Jerosalema! Ianao izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato ireo irahin’Andriamanitra aminao. Efa impiry moa Aho no nikasa hanangona ny mponina ao aminao, tahaka ny reniakoho manomba ny zanany, kanefa tsy nety ianareo.


Mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoa miandry anareo any an-danitra, satria toy izany no nanenjehany ireo mpaminanin’Andriamanitra talohanareo!


–Tandremo ny manao adidy ara-pivavahana eo imason’ny olona mba ho hitany, sao ianareo tsy mahazo valisoa avy amin’ny Rainareo Izay any an-danitra.


Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manasoava azy ary mampisambora tsy manantena valiny, dia ho lehibe ny valisoa miandry anareo; ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay mora fo amin’ny tsy mahay mankasitraka sy ny ratsy fanahy.


Aoka tsy hisy olona hisakana anareo tsy hahazo ny amboara, ka hitaona anareo hanana fanetrentena haitraitra sy hivavaka amin’ny anjely. Manindrahindra ny fahitana azony ry zareo ka mieboebo tsy amin’antony, noho ny fisainany baikoin’ny maha olombelona azy.


Mba hataon’ny Tompo hahita ny famindrampony anie izy amin’ny andro fitsarana! Fantatrao tsara dia tsara koa ny fikarakarana rehetra nataony tamiko tao Efeso.


Ka ny miandry ahy izao dia ny satroboninahi-pandresena natokana ho an’izay manao ny marina. Ny Tompo, ilay mpitsara ara-drariny, dia hanome ahy izany satroboninahi-pandresena izany amin’ny andro fitsarana; ary tsy izaho ihany no homeny izany, fa izay rehetra miandry am-pitiavana ny hisehoany koa.


Nataony fa ny miaritra fanaratsiana noho ny amin’ny Mesia dia harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Ejipta, fa nibanjina ny valisoa mbola ho avy izy.


Raha tsy misy finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra; koa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Andriamanitra sady mamaly soa izay mitady Azy.


Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin’ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo.


Fa novalian’i Rota hoe: –Aza terena handao anao sy hiala amin’ny fanarahana anao aho; fa any amin’izay halehanao no halehako, ao amin’izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro,


Dia namaly i Bôhaza ka nanao taminy hoe: –Efa notantaraina tsara tamiko avokoa izay nataonao tamin’ny rafozambavinao taorian’ny nahafatesan’ny vadinao; reko ny nandaozanao ny ray aman-dreninao sy ny tany nahabe anao ka nandehananao ho atỳ amin’ny firenena izay tsy mbola fantatrao akory taloha.


Dia hoy i Rota hoe: –Aoka ho tsara fanahy amiko hatrany ianao, tompoko, satria efa nampionona ahy ianao ary efa niteny ankamoram-po tamiko na dia tsy tahaka ny anankiray amin’ireo vehivavy mpiasanao aza aho.


Io zafinao io dia hampitombina ny fanahinao sy ho mpanolokolo anao amin’ny fahanteranao, satria ilay vinantovavy fatra-pitia anao sady tsara lavitra ho anao noho ny zanakalahy fito no efa niteraka azy.


Nasehonao tamiko androany ny hatsaram-ponao, fa tsy novonoinao ho faty aho na dia efa natolotry ny TOMPO teo an-tananao aza aho.


Raha misy olona mahatratra ny fahavalony, moa avelany handeha soa aman-tsara ve izy? Sanatria! Koa hamaly fitia anao anie ny Tompo noho izay nataonao tamiko androany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra