Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Obadia 1:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Nitsangan-kamely ny Israelita ianao, tamin’ny andro nandresen’ny vahiny ny tafiny sy nidiran’ny hafa firenena tao an-tanànany; fony nozarain’ny vahiny antsapaka ny fananan’i Jerosalema, dia niray tetika taminy koa ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Tamin’ilay andro namitsahanao teny ampita, tamin’ny andro namaboan’ny vahiny ny fananany sy nidiran’ny hafa firenena teo amin’ny vavahadiny ary nanaovany antsapaka an’i Jerosalema, dia mba toy ny iray tamin’ireny koa ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Nitsangan-kamely ny Israelita ianao, tamin’ny andro nandresen’ny vahiny ny tafiny sy nidiran’ny hafa firenena tao an-tanànany; fony nozarain’ny vahiny antsapaka ny fananan’i Jerosalema, dia niray tetika taminy koa ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Tamin’ny andro nitsangananao nanandrify azy, tamin’ny andro nitondran’ny fahavalo ny miaramilany, sy nitsofohan’ny hafa firenena amin’ny vavahadiny, ka nanaovany loka an’i Jerosalema, dia toy ny iray tamin’ireny koa ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Tamin’ilay andro namitsahanao teny am-pita, Tamin’ny andro namaboan’ny vahiny ny fananany, Sy nidiran’ny hafa firenena teo amin’ny vavahadiny, Ary nanaovany loka an’i Jerosalema, Dia mba toy ny anankiray tamin’ireny koa hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Tamin'ilay andro namitsahanao teny am-pita, Tamin'ny andro namaboan'ny vahiny ny fananany, Sy nidiran'ny hafa firenena teo amin'ny vavahadiny, Ary nanaovany loka an'i Jerosalema, Dia mba toy ny anankiray tamin'ireny koa ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Obadia 1:11
13 Rohy Ifampitohizana  

Dia nentin’i Nebozaradàna ho babo ireo mponina sisa tao an-tanàna sy ireo olona nitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babilôna ary ny sisa tamin’ireo mpahay taozavatra.


TOMPO ô, tsarovy ny nafitsoky ny Edômita; fa tamin’ny andro nandravana an’i Jerosalema, dia ireo no nandrisika hoe: «Fongory io tanàna io, eny, fongory hatramin’ny fanorenany!»


Raha tojo mpangalatra ianareo, dia miombona aminy; ny olona mpanitsakitsa-bady no fiarahanareo.


Hoy ireo hoe: «Andeha holevonintsika tsy ho firenena izy; dia tsy hotsarovana intsony ny anarana hoe Israely.»


Efa niray tetika tokoa ireo ka nifanaiky hanohitra Anao:


«Noho ny nitenenanao hoe: ‹Ndeha halaiko ho fananana ireo firenena roa sy tany roa, dia i Israely sy i Joda izay samy onenan’ny TOMPO›,


Hampiseho zava-mahagaga eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho, dia ra sy afo ary setroka mitambolina.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Gazà, fa indrindra ity anankiray ity: nentiny ho babo avokoa ny iray tanàna manontolo mba hatolony ho an’ny Edômita. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Tiro, fa indrindra ity anankiray ity: Natolony ho babo ho an’ny Edômita avokoa ny iray tanàna manontolo, fa tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana nataony tamin’i Israely. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy.


Nefa na ny mponin’i Teba koa aza dia lasan-ko babo sy voasesitany. Ny zaza teo aminy dia novonoin-ko faty teny an-joron-dàlana rehetra teny, ny loholony notsinjaraina an-tsapaka, ary ny lehibeny rehetra nasiana gadra vy.


Izany no famaizana setrin’ny avonavony satria izy roa tonta dia samy nandatsa ny vahoakan’ilay TOMPOn’izao rehetra izao ary nanitatra ny taniny teo amin’ny azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra