Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 6:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Handray anareo amin-kazavampo anie ny TOMPO ka hanome anareo fiadanana!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 hanandratra ny tavany aminao anie NY TOMPO ka hanome anao fiadanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Handray anareo amin-kazavampo anie ny TOMPO ka hanome anareo fiadanana!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Hanandratra ny tavany aminao sy hanome fiadanana anao anie i Iaveh.›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 6:26
24 Rohy Ifampitohizana  

Homen’ny TOMPO hery anie ny vahoakany ka dia hotahîny hombam-piadanana!


Diniho ny olom-banona, jereo ny olo-mahitsy, dia ho tsapanao tokoa fa ny hasambarana no valiny omena ny olona toy izany.


Fa manaova kosa sorona araka ny lalàna ary dia matokia ny TOMPO.


Hontsa tokoa aho mahatsiaro ny fahiny fony aho niaraka tamin’ny besinimaro nandroso nankao an-tranon’Andriamanitra, ombàn’ny feo fihobiana sy fiderana redonim-bahoaka indray mankalaza.


Norobainao ireo firenen-kafa mba hamponenana ny firenenay; nampahorînao ireo vahoakany mba hanomezan-toerana ny vahoakanao.


Rariny sy hitsiny no fototry ny fanjakanao; fitiavana sy toetra mahatoky no mandeha eo alohanao.


TOMPO ô, Ianao no manome anay ny fiadanana ary Ianao koa no mahatomombana ho anay ny asa rehetra nataonay.


Ny toe-tsainy tsy miovaova; ka omenao fiadanana hatrany izy satria matoky Anao, TOMPO ô.


dia horakora-pifaliana no hataoko eo amin’ny molony. Ka hoy AHO hoe: Fiadanana ho an’izay lavitra, fiadanana ho an’izay akaiky! Eny, hanasitrana ny vahoakako Aho.»


Ary handresy amin’ny sabatra sy lefom-pohy ireo mpitari-tafika ireo ka hifehy an’i Asiria, tanin’i Nimrôda. Izany mpanapaka izany mihitsy no hanafaka antsika amin’ny Asirianina izay hihoatra sisitany ka ho tonga hanafika ny tanintsika.


«Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra; ary fiadanana etỳ an-tany ho an’ny olombelona fa nanehoany fitia!»


Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy mba fiadanana tahaka ny fanomezan’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka izay ny horohoro na ny tahotra ao am-ponareo.


Izany no voalazako taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amin’ny firaisana amiko. Eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa mahereza, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao!


Dia hoy indray i Jesoa taminy: Ho ao aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo koa.


Nony afaka herinandro, dia vory tao an-trano indray ny mpianatr’i Jesoa; ary tafaraka tamin’ireo koa i Tômà. Voahidy avokoa ny varavarana, kanefa dia tonga i Jesoa nijoro teo afovoan’ny mpianatra ary nanao hoe: –Ho ao aminareo anie ny fiadanana!


Fantatrareo ny teny nampitondrain’Andriamanitra ho an’ny vahoaka Israely, anambaràny ny Vaovao Mahafaly: dia ny fampihavanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ilay Tompon’ny olona rehetra.


Natoronao ahy ny lalana mitondra any amin’ny fiainana, hofenoinao hafaliana aho satria manatrika ahy Ianao.»


Ilay Andriamanitra loharanon’ny fanantenana anie hameno fifaliana sy fiadanana tanteraka anareo noho ny finoanareo, mba hampitomboina be dia be ao aminareo ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina!


Homba anareo rehetra anie ilay Andriamanitra loharanon’ny fiadanana! Amen.


Noho ny finoana àry dia tonga olo-marina eo imason’Andriamanitra isika sady efa mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.


Ho amin’ny havana rehetra anie ny fiadanana sy ny fitiavana mbamin’ny finoana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo.


Ary ilay fiadanana avy amin’Andriamanitra sady mihoatra noho ny zavatra rehetra takatry ny fieritreretan’olombelona, dia hiaro ny fonareo sy ny sainareo, satria efa tafaray amin’i Kristy Jesoa ianareo.


Ny Tompo loharanom-piadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ny zavatra rehetra! Homba anareo rehetra anie ny Tompo!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra