Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 6:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Hijery anareo amin-kamorampo anie ny TOMPO ka hiantra anareo!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 hampamirapiratra ny tavany aminao anie NY TOMPO ka hamindra fo aminao;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Hijery anareo amin-kamorampo anie ny TOMPO ka hiantra anareo!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Hampamirapiratra ny tavany aminao sy hamindra fo aminao anie i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 hampamirapiratra ny tavany aminao anie NY TOMPO ka hamindra fo aminao;

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 6:25
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary nanopy maso i Jôsefa ka nahita an’i Benjamîna rahalahiny izay iray reny aminy, dia nanao hoe: –Io moa izany ilay zandrinareo faralahy nolazainareo tamiko? Ary dia nampian’i Jôsefa hoe: –Andriamanitra anie hitahy anao, anaka!


Jereo amin-kamorampo izaho mpanomponao: ampianaro ahy ny lalànanao.


Noho ny fandresenao dia lehibe ny voninahiny: fiandrianana sy laza no arakotrao azy.


Eo ambany fiahianao ny androm-piainako ka afaho amin’ny fahavalo sy mpanenjika aho.


Maro ny olona mitaraina hoe: «Mba te hahita fahasambarana izahay, ka jereo amin-kamorampo, TOMPO ô.»


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny valiha. Tononkira.


Amin’izay dia tsy handao Anao intsony izahay; Ianao no hamelona anay indray ary hivavahanay.


Ataonao ho fanarabin’ireo firenen-kafa izay mpifanila aminay izahay sy ho fihomehezan’ny fahavalonay.


Mba itodiho aho ka iantrao; omeo ahy mpanomponao ny herinao, ary vonjeo aho fa voatokana ho Anao.


Dia novalian’ny TOMPO hoe: –Handalo eo anatrehanao Aho ka haneho aminao ny hatsaram-poko manontolo sady hanambara ny anarako hoe «Ny TOMPO». Fa hiantra izay tiako hiantrana Aho, ary hamindrafo amin’izay tiako hamindrana fo.


Ary ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny vavaka amam-pifonako; ka jereo amin-katsarampo ny Toeramasinao efa simba, satria Ianao no Tompo.


Koa ankehitriny, ry mpisorona, mifonà amiko Andriamanitrareo ange ianareo, raha toa ka mba hiantra ny vahoakako Aho. Noho izay nataon’ny tananareo izay, moa heverinareo ve fa hihaino anareo Izaho TOMPOn’izao rehetra izao? Sanatria izany!


satria ny lalàna dia nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.


Mamangy anareo atỳ Rôma aho, dia ianareo rehetra malalan’Andriamanitra sy nantsoiny ho vahoakany. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra