Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 6:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Hamerina tanteraka indray ny fanokanan-tenany ho an’ny TOMPO izy, ka hitondra ondrilahy iray taona izy ho sorom-panonerana. Tsy hoisaina ireo andro teo aloha satria voaloto ny naha nazirita azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Dia hanokana ho an’NY TOMPO ny andro fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona, ho fanati-panonerana; fa ho very ireo andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Hamerina tanteraka indray ny fanokanan-tenany ho an’ny TOMPO izy, ka hitondra ondrilahy iray taona izy ho sorom-panonerana. Tsy hoisaina ireo andro teo aloha satria voaloto ny naha nazirita azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Hanokana ho an’i Iaveh ny andro haha-nazareàna azy, ary hanatitra zanak’ondry anankiray, efa iray taona, izy, ho fanati-panonerana; ary ny andro teo aloha dia ho very noho ny fitokanany efa voaloto.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Dia hanokana ho an’i Jehovah ny androny fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona ho fanati-panonerana; fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Dia hanokana ho an'i Jehovah ny androny fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona ho fanati-panonerana; fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Dia hanokana ho an’NY TOMPO ny andro fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona, ho fanati-panonerana; fa ho very ireo andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 6:12
12 Rohy Ifampitohizana  

Zanakondry lahy na zanakosy lahy tsy misy kilema, herintaona, no halainareo.


Kanefa raha misy olo-marina miala amin’ny fahamarinany ka manao heloka araka ny zavatra rehetra maharikoriko izay fanaon’ny olon-dratsy, dia heverinareo ho velona ve izy? Tsia. Hohadinoina ireo asa tsara rehetra nataony, ka ho faty izy noho ny hadisoana amam-pahotana vitany.


Dia horaisin’ny mpisorona ilay zanakondrilahy hatao sorom-panonerana sy ilay menaka antsasa-litatra, ka hahevahevany eo anatrehan’ny TOMPO no ho fomba fanolotra an’ireo.


Ary hitondra fanonerana amin’ny TOMPO izy noho ny ota vitany, dia ondrivavy na osivavy mba ho sorona fanalana ny ota; dia hataon’ny mpisorona amin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, noho ny ota vitany.


«Raha tsy takatry ny fananan’ny olona kosa ny ondrivavy na osivavy iray, dia domohina roa na voromahailala roa no hoentiny amin’ny TOMPO ho fanonerana ny ota vitany ka ny anankiray ho sorona fanalana ny ota, ary ny anankiray kosa ho sorona dorana manontolo.


Haterin’ny mpisorona ho sorona fanalana ny ota ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho sorona dorana manontolo. Dia hataony amin’ilay olona ny fombam-pivavahana fanadiovana azy noho ny ota vokatr’ilay faty; amin’io andro io izy dia ho masina indray ka hamela ny lohany hitsiry volo.


«Izao no lalàna ny amin’ny nazirita, rehefa tapitra ny andro naha nazirita azy. Hoentina mankeo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana izy


Kanefa izay maharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ekeo ihany aloha, fa izany no tsy maintsy anatontosantsika ny zavatra rehetra voasoritr’Andriamanitra. Izay vao nanaiky i Jôhany.


Satria izay diso amin’ny lalàna anankiray monja, na dia mitandrina ny lalàna hafa rehetra aza, dia meloka amin’izy rehetra.


Mitandrema tena ianareo mba tsy hahavery ny vokatr’ireo asanareo sady mba handraisanareo valisoa feno.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra