Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 5:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Dia hisy rano manan-kasina halain’ny mpisorona amin’ny lovia tany ka hafangarony amin’ny vovoka noraofina teo amin’ny tanin’ny Fonena-masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Dia haka rano nohamasinina amin’ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin’izay itoeran’ny tabernakely dia hakan’ny mpisorona ka hataony amin’ny rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Dia hisy rano manan-kasina halain’ny mpisorona amin’ny lovia tany ka hafangarony amin’ny vovoka noraofina teo amin’ny tanin’ny Fonena-masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 dia haka rano masina amin’ny lovia tany ny mpisorona ka hasiany vovoka nalainy avy amin’ny tanin’ny Fonenana ny rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 dia haka rano masina amin’ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin’izay itoeran’ny tabernakely dia hangalan’ny mpisorona ka hataony amin’ny rano;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 dia haka rano masina amin'ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin'izay itoeran'ny tabernakely dia hangalan'ny mpisorona ka hataony amin'ny rano;

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 5:17
9 Rohy Ifampitohizana  

Saiky tsy nahafantatra azy anefa ireo raha nahatazana an’i Jôba, ka dia nitomany; nandriatra fitafiana izy ary nanopy vovoka teny amin’ny rivotra mba hiraraka eny an-dohany avy.


–Momba ny fidiovana, dia hisy kovetabe iray ka halimo no hamboarana azy; hasiana faladiany halimo izany, ka hapetraka eo anelanelan’ny Tranolay fihaonana sy ny alitara, sady hofenoina rano.


Ry TOMPO fanantenàn’i Israely ô, ho menatra izay rehetra mandao Anao. Voasoratra anarana eo am-bovoka izay nihataka taminao, noho izy efa nandao Anao, ry TOMPO loharano velona ô.


Aoka hanohoka vava am-bovoka izy, ndrao mba hisy fanantenana.


Ary hoentin’ny mpisorona eo amin’ny Toeramasina ravehivavy mba hiseho eo anatrehan’ny TOMPO.


Harakorakon’ny mpisorona ny volon’ilay vehivavy miseho eo anatrehan’ny TOMPO, ary hapetrany eo am-pelatanany ny fanati-piampangana, izany hoe ny fanati-pahasarotam-piaro. Fa ny mpisorona kosa hitana ny rano mangidy izay mitondra ozona.


Nolazain’ireo izany hamandrihana Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika, dia nanoratsoratra teo amin’ny tany tamin’ny rantsan-tanany.


Dia niondrika indray i Jesoa, ka nanoratsoratra teo amin’ny tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra