Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 4:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Hisainao ny lehilahy rehetra feno telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, dia ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 izay hatramin’ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona no hisainao, dia izay rehetra azo alefa hanafika, fa hanao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Hisainao ny lehilahy rehetra feno telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona, dia ireo rehetra tokony hirotsaka hanao ny asam-panompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 ny hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin’ny dimampolo, no alao isa, dia izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana izay manana anjara raharaha ao amin’ny trano lay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 ny hatramin’ny telo-polo taona ka hatramin’ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin’ny antokony hanao fanompoana ao amin’ny trano-lay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 ny hatramin'ny telo-polo taona ka hatramin'ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin'ny antokony hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 izay hatramin’ny telopolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona no hisainao, dia izay rehetra azo alefa hanafika, fa hanao fanompoana ao amin’ny tranolay fihaonana* izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 4:23
18 Rohy Ifampitohizana  

Ireo rehetra ireo no taranak’i Levỳ, izay samy lohany teo amin’ny fianakaviany avy, araka ny nanisana azy sy nanoratana anarana azy tsirairay: nanao ny asa fanompoana tao an-tranon’ny TOMPO ireo, nanomboka hatreo amin’ny roapolo taona no ho miakatra.


Araka ny faratenin’i Davida no nanisana ny levita, nanomboka hatreo amin’ny roapolo taona no ho miakatra.


Natao fanisana tsirairay ireo vatan-dehilahy levita, hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, ka 38 000 no isany.


«Ataovy lisitra isam-pianakaviana sy isan-tarika koa ny taranak’i Gersôna.


Izao no asa hampiandraiketina ny tariky ny Gersônita:


Fa rehefa feno dimampolo taona kosa dia handao ny asa ka tsy hanao fanompoana intsony.


Iza no miaramila hianto-tena rehefa miantafika? Iza no mpamboly voaloboka tsy mihinana ny vokatr’izay namboleny? Iza no mpiandry ondry aman’osy tsy mivelona amin’ny rononon’ny biby andrasany?


amin’ny fitorianay ny marina ary amin’ny hery omen’Andriamanitra anay. Izay rariny no fiadiana ampiasainay hanafihana sy hiarovan-tena,


Fa ny maha olona mpanota dia manam-paniriana manohitra ny fanirian’ny Fanahy Masina; ary ny Fanahy Masina dia manam-paniriana manohitra ny maha olona mpanota: mifanohitra izy roroa, hany ka tsy izay zavatra sitrakareo no ataonareo.


Ireo voatokana ho an’i Kristy Jesoa dia efa nanombo teo amin’ny hazofijaliana ilay maha olona mpanota azy ireo mbamin’ny filàndratsiny amam-paniriany.


Ry Timôty zanako, izany fepetra izany no atolotro anao, araka ireo hafatr’Andriamanitra voalaza fahiny tamin’ny fanendrena anao. Raiso ireo ho fitaovam-piadiana amin’ny ady tsara,


Ny ady tsara no efa vitako, tratrako ny tanjon’ny fihazakazahana, voatanako ny finoana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra