Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 36:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Rehefa tonga manko ny taon-jôbily ho an’ny Israelita, ny zara tanin’ireo zanakavavin’i Tselôfehada dia hanampy ny an’ny foko izay hidirany, ary hoesorina tanteraka amin’ny zara tany azon’ny razanay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary raha tonga ny Jobilin’ny Zanak’Israely, ny zarataniny dia hanampy ny an’ny foko izay hatoniny, ary izay azy dia hesorina amin’ny zaratanin’ny razanay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Rehefa tonga manko ny taon-jôbily ho an’ny Israelita, ny zara tanin’ireo zanakavavin’i Tselôfehada dia hanampy ny an’ny foko izay hidirany, ary hoesorina tanteraka amin’ny zara tany azon’ny razanay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Ary rehefa tonga ny Jobily ho an’ny zanak’i Israely, ny lovany dia hanampy ny an’izay hidirany, ka halana amin’ny lovan’ny fokon-drazanay ny lovany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary raha tonga ny Jobilin’ny Zanak’Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an’ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin’ny zara-tanin’ny razanay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary raha tonga ny Jobilin'ny Zanak'Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an'ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin'ny zara-tanin'ny razanay.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 36:4
7 Rohy Ifampitohizana  

hanambara ny taona hanehoan’ny TOMPO fanambinana sy ny andro hanafaizan’Andriamanitra ny fahavalony ary hitondra fampaherezana ho an’ny misaona rehetra.


«Ny tany dia tsy azo atao varo-maty, satria Ahy Tompo izany; fa vahiny sy mpivahiny eo amin’ny taniko ianareo.


«Hanisa fito taona mitsingerina impito ianareo, izany fito taona impito, ka 49 taona no halàvan’izany.


Raha manambady lehilahy avy amin’ny foko israelita hafa ireo vehivavy ireo, dia hoesorina amin’ny zara tanin-drazanay ny zara taniny ka hanampy ny anjaran’ny foko izay hidirany izany, ary dia hampihena ny anjara izay azonay tamin’ny antsapaka.


Dia nanome izao didy izao araka ny tenin’ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: –Marina ny an’ireto taranak’i Jôsefa ireto.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra