Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 32:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Fa raha tsy mety manaraka ny Teniny ianareo, dia hohalavainy ny fitoeran’ny Israelita atỳ an-taniefitra, ary ho tompon’andraikitra amin’ny fahavoazan’izao vahoaka rehetra izao ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Fa raha miala amin’ny fanarahana Azy ianareo dia hampaharitra ny fitoeran’ny Israely any an-tany efitra indray Izy; koa ianareo no handringanana izao olona rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Fa raha tsy mety manaraka ny Teniny ianareo, dia hohalavainy ny fitoeran’ny Israelita atỳ an-taniefitra, ary ho tompon’andraikitra amin’ny fahavoazan’izao vahoaka rehetra izao ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Fa raha mandà tsy hanaraka Azy ianareo, dia mbola avelany atỳ an’efitra i Israely, ka dia ianareo no ho fototry ny fandringanana izao vahoaka rehetra izao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Fa raha miala amin’ny fanarahana Azy hianareo dia hamela azy any an-efitra indray Izy; ka dia hianareo no handringana izao olona rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Fa raha miala amin'ny fanarahana Azy ianareo dia hamela azy any an-efitra Indray Izy; ka dia ianareo no handringana izao olona rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 32:15
14 Rohy Ifampitohizana  

ka niainga hitsena an’i Asà izy ary nanao taminy hoe: –Mihainoa ahy, ry Asà mbaminareo Jodeanina sy i Benjaminita rehetra. Miaraka aminareo ny TOMPO, raha miaraka aminy ianareo. Raha mitady Azy ianareo, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy ianareo, dia hilaozany.


Eny, ny vadinao rehetra mbamin’ireo zanakao lahy dia hoentina any amin’ny Babilônianina, ary ianao koa tsy ho afaka amin’ny tanany; hataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona ianao ary noho ny aminao no handoroana ity tanàna ity amin’ny afo.


Dia nanatona an’i Mosesy ny Reobenita sy ny Gadita ka nanao taminy hoe: –Hanao vala ho an’ny biby fiompy sy tanàna ho an’ny fianankavianay eto izahay;


Tataovan-doza izao tontolo izao satria betsaka ny toe-javatra mitarika amin’ny ratsy! Eny, tsy maintsy hisy ny toe-javatra mitarika amin’ny ratsy, kanefa mampalahelo izay olona hahatonga izany!


Raha miteraka alahelo ho an’ny namanao ny fihinananao zavatra, dia tsy mizotra araka ny fitiavana intsony ianao. Aza simbànao amin’ny fihinananao zavatra ilay namanao fa efa maty i Kristy ho famonjena azy.


Dia tonga tany amin’ny taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase tany Gilehada ireo iraka ireo ka niresaka taminy


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra