Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Nomery 30:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Raha ren-drainy izany voady na fianianana izany, nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataon’ilay tovovavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 ka ren’ilay rainy ny voadiny sy ny namehezany tena hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia manan-kery ny voadiny sy izay fatotra namehezany tena, na inona na inona izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Raha ren-drainy izany voady na fianianana izany, nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataon’ilay tovovavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 ary ren-drainy ny voady amam-pamehezan-tena nataony, nefa tsy niteniteny taminy ny rainy, dia ho raikitra ny voady rehetra nataony sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 ka ren-drainy ny voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

La Bible en Malgache

5 ka ren’ilay rainy ny voadiny sy ny namehezany tena hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia manan-kery ny voadiny sy izay fatotra namehezany tena, na inona na inona izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Nomery 30:5
8 Rohy Ifampitohizana  

Fitiavana no sitrako fa tsy sorona; ary ny fiekena Ahy ho Andriamanitra dia tiako noho ny sorona dorana manontolo.»

«Kanefa ataovy hoe misy vehivavy mbola ao an-tranom-badiny no maningo-tena mivoady na mianiana.

«Ataovy hoe misy tovovavy mbola miara-mipetraka amin-drainy ka maningo-tena mivoady na mianiana amin’ny TOMPO.

Fa raha mandà kosa ny rainy amin’ny andro andrenesany izany, dia tsy manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataony. Hamela an’ilay tovovavy ny TOMPO, satria efa nandà izany ny rainy.

Raha rem-badiny izany nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataony.

Ianareo zanaka, mpanaraka ny Tompo ianareo ka maneke ny ray aman-dreninareo, fa rariny izany.

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra