Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 30:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Fa raha manafoana kosa ny lahy amin’ny andro andrenesany izany, dia tsy manan-kery ny voady amam-pianianana nataon-dravehivavy. Hamela azy ny TOMPO satria nofoanan’ny vadiny ny voady nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Fa raha manafoana izany kosa ny vadiny amin’ny andro andrenesany azy miteny dia tsy manan-kery izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezany tena; ny vadiny no manafoana izany ary NY TOMPO hamela ny helony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Fa raha manafoana kosa ny lahy amin’ny andro andrenesany izany, dia tsy manan-kery ny voady amam-pianianana nataon-dravehivavy. Hamela azy ny TOMPO satria nofoanan’ny vadiny ny voady nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Fa raha foanan’ny lahy kosa izany amin’ny andro andrenesany azy, dia foana izay rehetra naloaky ny vavany, na voady na famehezan-tena nofoanan’ny vadiny izany, ary i Iaveh hamela azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Fa raha nahafoana izany kosa ny vadiny tamin’ny andro nandrenesany, dia afaka izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezana ny fanahiny; ny vadiny no nahafoana izany, ary Jehovah hamela ny helony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Fa raha nahafoana izany kosa ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezana ny fanahiny; ny vadiny no nahafoana izany, ary Jehovah hamela ny helony.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 30:13
13 Rohy Ifampitohizana  

Teo amoron’io lakan-dranon’i Ahavà io, dia nanainga anay rehetra hanao fifadian-kanina aho mba hietrenay tena eo anatrehan’Andriamanitray sy hangatahanay Azy hahatsara dia anay sy ny vady aman-janakay ombàn’ny fanananay rehetra.


Raha narary izy ireo, dia nalahelo aho ka nitafy lamba fisaonana ho marik’izany; nampijaly tena tamin’ny fifadian-kanina aho ary koa niondrika hivavaka ho azy,


Moa fifadian-kanina toy izany ve no tiako, amin’ny andro ampahorîn’ny olona tena? Ny hampilofika ny lohany toy ny zozoro sy ny hitafy lamba fisaonana ary ny hatory mihosin-davenona! Izany ve no ataonareo hoe fifadian-kanina sy andro ankasitrahina eo amiko TOMPO?


«Izao no lalàna raikitra ho anareo: Ny andro fahafolo amin’ny volana fahafito, dia aoka ianareo hifady hanina sady tsy hanao raharaha akory, na ianareo Israelita tompontany na ireo vahiny valovotaka eo aminareo.


«Ny andro fahafolon’ny volana fahafito kosa dia andro fankalazana ny Famelàn-keloka; hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo amin’izany, ary hifady hanina ianareo sady hanatitra sorona levonina amin’ny afo ho Ahy TOMPO.


Ho tena fitsaharana ho anareo io andro io, ary hifadianareo hanina; miantomboka amin’ny harivan’ny andro fahasivin’ny volana ka miafara amin’ny ampitso hariva no hitandremanareo io fitsaharanareo io.»


«Amin’ny andro fahafolon’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo. Hifady hanina ianareo ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro.


Raha ren’ny lahy izany nefa tsy notoheriny na norarany, dia mitoetra ara-dalàna ny voady amam-pianianana rehetra nataon-dravehivavy.


Ny voady na fianianana rehetra nataon’ny vavy mba hifady hanina dia ny vadiny irery ihany no mampanan-kery na mahafoana izany.


Saingy ity misy zavatra tiako ho fantatrareo: I Kristy no mpifehy ny lehilahy rehetra; ny lehilahy no mpifehy ny vadiny; ary Andriamanitra no mpifehy an’i Kristy.


ary tsy ny lehilahy no noarîna ho an’ny vehivavy; fa ny vehivavy no noarîna ho an’ny lehilahy.


Aza misara-pandriana ianareo raha tsy amin’ny vanim-potoana ifanarahanareo hatokana ho an’ny fivavahana; avy eo dia miraisa indray, sao tsy mahafehy tena ianareo ka halain’i Satàna fanahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra