Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 27:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Ary rehefa nametra-tanana tamin’i Josoa i Mosesy, dia nanokana azy ho dimbiny, araka ny voalazan’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 ka nametraka ny tanany taminy ary nanome didy azy, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampitondrainy an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Ary rehefa nametra-tanana tamin’i Josoa i Mosesy, dia nanokana azy ho dimbiny, araka ny voalazan’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 ka nony efa nametra-tanana taminy izy, dia nanokana azy, araka ny voalazan’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 ka nametraka ny tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin’i Jehovah izay nampitondrainy an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 ka nametraka ny tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 27:23
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny TOMPO namaly an’i Mosesy: –Alao i Josoa zanakalahin’i Nona fa lehilahy itoeran’ny Fanahiko. Izy no hametrahanao tanana,


ary hoentinao eo anatrehan’i Elehazara mpisorona sy ny fiangonana manontolo ka hotokananao handimby anao eo imason’izy ireo.


Nataon’i Mosesy araka izay efa nandidian’ny TOMPO azy izany. Dia naka an’i Josoa izy ka nentiny teo anatrehan’i Elehazara mpisorona sy ny fiangonana manontolo.


Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO mba hamepetra ny Israelita hoe:


Tamin’izany andro izany koa dia nomeko baiko i Josoa ka nilazako hoe: «Efa hitanao maso izay rehetra nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo tamin’ireo mpanjaka roa lahy; dia toy izany no hataon’ny TOMPO amin’ny mpanjaka rehetra hatrehinao eny ampita.


Fa i Josoa no omeo baiko, dia ampaherezo sy hatanjaho, satria izy no hiampita eo alohan’ity vahoaka ity sady hampahazo azy ny tany izay ho hitanao.»


Avy eo dia nofeperan’ny TOMPO i Josoa, zanakalahin’i Nona, ka nilazany hoe: –Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Israelita hiditra ao amin’ny tany izay nianianako taminy homena azy, Izaho mihitsy no hiaraka aminao.


I Josoa, zanakalahin’i Nona, dia feno fanahy fahendrena, satria efa nametrahan’i Mosesy tanana; ka nihaino azy ny Israelita sady nanatanteraka ny didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra