Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 26:33 - DIEM PROTESTANTA

33 I Tselôfahàna zanakalahin’i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany ka ireto avy no anarany: i Mahelà, Nôhà, Hôglà, Milkà ary Tiritsà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Ary i Zelofada, zanak’i Hefera, dia tsy mba nanan-janakalahy fa zanakavavy ihany, ary ny anaran’ny zanany vavy dia i Mahala, i Noa, i Hogla, i Milka ary i Tirza.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 I Tselôfahàna zanakalahin’i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany ka ireto avy no anarany: i Mahelà, Nôhà, Hôglà, Milkà ary Tiritsà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

33 I Salfaada, zanak’i Hefera tsy nanan-janaka lahy, fa zanaka vavy ihany; ka ireto no anaran’ny zanaka vavin’i Salfaada: Maalà, Nôà, Heglà, Melkà ary Tersà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Ary Zelofada, zanak’i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran’ny zanakavavin’i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Ary Zelofada, zanak'i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran'ny zanakavavin'i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 26:33
5 Rohy Ifampitohizana  

ny Semidita avy tamin’i Semida, ary ny Heferita avy tamin’i Hefera.


Nisy ireo zanakavavin’i Tselôfehada, zanakalahin’i Hefera sy zafin’i Gilehada, ary zafiafin’i Makira sy zafindohalik’i Manase; ireo vehivavy ireo, izay avy tamin’ny fokon’i Manase zanak’i Jôsefa, dia i Mahalà sy i Nôhà, i Hôglà sy i Milkà ary i Tiritsà.


–Maty tany an-taniefitra ny rainay, nefa tsy mba isan’ny tarik’i Kôra izay niara-nioko hiodina tamin’ny TOMPO; fa matin’ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.


Fa i Tselofehada, zanakalahin’i Hefera sy zafikelin’i Gilehada ary zafiafin’i Makira sy zafin-dohalik’i Manase, dia tsy mba niteraka zazalahy fa zazavavy ihany. Ka ireto avy no anarany: i Mahalà, i Nôhà, i Hôglà, i Milkà ary i Tiritsà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra