Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 23:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na taranak’olombelona ka hanenina. Izay nolazainy dia hoefainy; izay nampanantenainy dia hotanterahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Andriamanitra tsy mba olona ka handainga na zanak’olombelona ka hanenina. Moa efa nilaza va Izy nefa tsy nanatanteraka? Na efa niteny va Izy ka tsy notoviny?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na taranak’olombelona ka hanenina. Izay nolazainy dia hoefainy; izay nampanantenainy dia hotanterahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Tsy olombelona Andriamanitra ka handainga, Na zanak’olombelona ka hanenina. Moa mba milaza fotsiny va izy fa tsy manatanteraka, Na miteny ihany fa tsy manefa?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, Na zanak’olombelona ka hanenina; Moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Andriamanitra tsy mba olona ka handainga na zanak’olombelona ka hanenina. Moa efa nilaza va Izy nefa tsy nanatanteraka? Na efa niteny va Izy ka tsy notoviny?

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 23:19
36 Rohy Ifampitohizana  

Mivahinia eto amin’ity tany ity fa homba anao Aho ary hitahy anao, satria ny taranakao no homeko ireo faritany rehetra ireo, fa hotanterahiko ny fampanantenana efa nianianako tamin’i Abrahama rainao.


Hiaraka aminao Aho ary hiaro anao amin’izay rehetra alehanao ka hitondra anao miverina amin’ity tany ity. Tsy handao anao aho ary hotanterahiko izay rehetra nampanantenaiko anao.


Koa izay taminganao maty ao an-tanàna dia hohanin’ny alika, ary izay maty any an-tsaha kosa dia hohanin’ny voro-manidina.» Izany no efa nambaran’ny TOMPO.


Izany ilay nolazain’ny TOMPO tamin’i Jehò hoe: «Hitoetra eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely hatramin’ny taranaka fahefatra ny taranakao, ka dia tanteraka.»


Fa ny dekà, izay nianteheran’ny mpanjakan’i Israely, dia niteny tamin’ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe: –Na dia handavaka ny lanitra aza ny TOMPO, mba ho tanteraka ve izay voalazanao teo? Ary hoy i Elisà: –Ho hitanao maso izany, saingy tsy mba hihinananao.


Kanefa mbola kely izany eo imasonao, Andriamanitra ô, ka efa nanaovanao fampanantenana koa hatramin’ny taranako mbola any aoriana lavitra any; ary dia noheverinao ho olona ambony saranga aho. Ry TOMPO Andriamanitro ô,


Nataon’ny TOMPO Andriamanitra taminao sady tsy mba hiverenany intsony izao tenim-pianianana izao: «Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkitsedèka.»


Ny TOMPO efa nanao fianianana tamin’i Davida ka tsy hivadika amin’ny marina voalazany hoe: «Iray amin’ireo zanakalahinao no hataoko mpanjaka handimby anao amin’ny sezafiandriananao.


Dia ho lany tokoa ve ny fitiavany anay? Ho tapitra tsy hisy intsony ve ny teniny?


kanefa tsy hofoanako ny fitiavako azy ary tsy hivadihako ny toetrako mahatoky.


Tsy hotsoahako ny fanekempihavanako ary tsy hovako izay nampanantenaiko.


Ho vitsy kely sisa no tavela amin’ireo mpandefa tsipîka sy ireo miaramila voafantin’i Kedara.» Izany no tenin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.


Izy koa anefa mahay zavatra, afaka mahatonga loza ary tsy mitsoaka amin’izay nolazainy. Eny, ny TOMPO efa nitsangan-kamely ny antokon’ny olon-dratsy ary koa ireo mpanao heloka izay fitadiavam-pamonjena.


Eny, mihamaina ny ahitra, mihamalazo ny voninkazo, fa ny herin’ny tenin’Andriamanitsika no haharitra mandrakizay.»


Toy ny vorona mpihaza avy any atsinanana, avy any an-tany lavitra any, no niantsoako ilay lehilahy izay hanatanteraka ny fikasàko. Fikasàna noteneniko izany sady hotanterahiko, fikasana novolavolaiko sady hotontosaiko.


dia ho tahaka izany koa ny teny aloaky ny vavako: tsy hiveri-maina foana atỳ amiko izy, raha tsy efa nahatanteraka izay sitrako sy nahatratra ny tanjona nanirahako azy.


Noho izany, dia misaona ny tany ary mihamaizina ny lanitra any ambony. Satria Izaho no efa niteny; ka tsy hanova ny fanapahan-kevitro Aho na hihemotra amin’izany.»


Iny mbola niteny iny ny mpanjaka, dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ambara aminao, ry Nebokadnetsara mpanjaka, fa nesorina taminao ny fahefàm-panjakana.


Tsy hanampatra fahatezera-mirehitra Aho na ho avy handringana an’i Efraîma; tsy olombelona Aho fa Andriamanitra dia Ilay Masina eo aminao; ka tsy ho avy amim-pahatezerana mafy Aho.»


Hasehonao aminay taranak’i Abrahama sy i Jakôba ny toetranao mahatoky sy ny fitiavanao, araka izay efa nianiananao tamin’ny razambenay hatramin’ny andro fahagola.


Fa tsy mbola tonga ny fotoana hahatanteraka io fahitana io; kanefa ho avy tsy ho ela ny farany ary tsy hamitaka velively. Andraso amim-pahatokiana na toa mitaredretra aza, fa ho avy tokoa ary tsy hahemotra izany.


«Eny, Izaho TOMPO dia tsy miova; fa tsy mitsahatra kosa ny maha taranak’i Jakôba anareo.


Izaho TOMPO no efa niteny, ka mianiana Aho fa hataoko tokoa amin’ity fiangonana ratsy sy niodina tamiko ity izany: atỳ an-taniefitra no hiafarany sy hahafatesany.»


Dia nanao izao tononkalo manaraka izao indray i Balahama: «Mitsangàna, ry Balàka zanakalahin’i Tsipôra, atongilano amiko ny sofinao, ka mihainoa.


Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona.


Satria tsy anenenan’Andriamanitra ny fanomezam-pahasoavany sy ny fiantsoany.


Tsy milaza anefa aho fa foana ny tenin’Andriamanitra saingy izao: tsy izay rehetra nipoitra avy amin’i Israely no tena vahoaka Israely,


raha mivadika aminy isika, Izy dia mahatoky hatrany satria tsy afa-mandà ny tenany.»


dia fivavahana miorina amin’ny fanantenana ny fiaina-maharitra mandrakizay. Ilay Andriamanitra tsy mba mandainga dia nampanantena antsika izany fiainana izany, fony tsy mbola nisy ary akory izao rehetra izao;


ireo zavatra anankiroa ireo dia tsy azo ovàna sady tsy hain’Andriamanitra andaingana. Noho izany, isika izay mitady fiarovana ao amin’Andriamanitra dia mahazo fampirisihana mafy hitana tsara ny fanantenana natolotra antsika.


Fa i Jesoa nombàm-pianianana no tonga Mpisorona, fony Andriamanitra nilaza taminy hoe: «Efa nianiana ny Tompo ka tsy hivadi-bolana: ‹Ianao no Mpisorona mandrakizay.› »


ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana lavorary rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’Andriamanitra Ray, mpahary ny fanazavana eny amin’ny habakabaka, Ilay tsy manam-piovaovana ary tsy misy aloka avy amin’ny fihodinana.


Aza heverinareo fa tsy misy antony ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Feno faniriana mirehidrehitra ny fanahy izay napetrak’Andriamanitra ao anatintsika.»


Tanteraka avokoa ny zava-tsoa rehetra nambaran’ny TOMPO tamin’ny Israelita fa tsy nisy latsaka.


Fa ny TOMPO, Ilay Herin’i Israely, dia tsy mba mandainga na miova hevitra. Tsy olombelona Izy ka hiova hevitra.


Hampihariko amin’i Helỳ sy ny taranany amin’izany andro izany ny loza rehetra, efa nambarako hamelezana azy; eny, hampihariko hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra