Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 22:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Hitan’ny boriky ilay anjelin’ny TOMPO nijanona teo amin’ny lalana sady nitana sabatra; dia nivily lalana ny boriky ka namantana tany amin’ny saha. Nokapohin’i Balahama ilay boriky mba hiverina amin’ny lalana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Dia hitan’ny boriky nijoro teo amin’ny lalana ilay Anjelin’NY TOMPO sady nitana ny sabany efa voatsoaka teny an-tanany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin’ny saha. Dia nikapoka ny boriky i Balama mba hampiverina azy ho amin’ny lalana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Hitan’ny boriky ilay anjelin’ny TOMPO nijanona teo amin’ny lalana sady nitana sabatra; dia nivily lalana ny boriky ka namantana tany amin’ny saha. Nokapohin’i Balahama ilay boriky mba hiverina amin’ny lalana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Hitan’ity ampondra ilay Anjelin’i Iaveh nijanona teo an-dalana sy nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, ka nivily lalana nankany anaty saha izy. Nokapohin’i Balaama ny ampondrany, hampiverenany azy amin’ny lalana indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Dia hitan’ny boriky nijanona teo an-dàlana Ilay Anjelin’i Jehovah sady nitana ny sabany voatsoaka teny an-tànany; dia nivily làlana ny boriky ka nankany amin’ny saha; dia nikapoka ny boriky Balama mba hampiverina azy ho amin’ny làlana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Dia hitan'ny boriky nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin'i Jehovah sady nitana ny sabany voatsoaka teny an-tànany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin'ny saha; dia nikapoka ny boriky Balama mba hampiverina azy ho amin'ny lalana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Dia hitan’ny boriky nijoro teo amin’ny lalana ilay Anjelin’NY TOMPO sady nitana ny sabany efa voatsoaka teny an-tanany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin’ny saha. Dia nikapoka ny boriky i Balama mba hampiverina azy ho amin’ny lalana.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 22:23
11 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo i Elisà dia nivavaka hoe: –TOMPO ô, sokafy re ny mason’ity mpanompoko ity mba hahitany. Dia nosokafan’ny TOMPO ny mason’ilay mpanompo ka hitany ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisà.


Nony natopin’i Davida ny masony, dia ilay anjelin’ny TOMPO no hitany nitsangana teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholona, izay efa samy nitafy lamba fisaonana rahateo.


Na dia ny vano aza dia mahalala ny fotoanandro fifindrany lasy; ary ny domohina sy ny sidintsidina mbamin’ny tsikorovana koa samy mitandrina ny fotoana fiverenany, fa ny vahoakako kosa tsy mahalala ny fitsipiko.


Ary izaho Daniela irery ihany no nahita ny fahitana, fa ireo olona izay niaraka tamiko dia tsy nahita izany; kanefa raiki-tahotra mafy izy ireo ka nandositra niery.


Tezitra mafy tamin’i Balahama Andriamanitra raha nahita azy nandeha ihany; ary nijanona teo an-dalana hisakana azy ny anjelin’ny TOMPO raha iny izy nizotra nitaingina ny borikiny sady narahin’ny mpanompony roa lahy iny.


Ary ilay anjelin’ny TOMPO nijanona indray teo amin’ny lempona iray teo anelanelan’ny tanimboaloboka voafefy andaniny roa.


Ny mpiara-dia tamiko dia nahita ilay hazavana, nefa sy mba nandre ny feon’ilay niteny tamiko.


Iny teo akaikin’i Jerikao iny i Josoa, dia nanopy maso nijery ka indro lehilahy iray nitsangana tandrifiny sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany; dia nanatona azy i Josoa ka nanontany azy hoe: –Namanay ve ianao sa naman’ny fahavalonay?


saingy voaanatra noho ny hadisoany; fa niteny hoatra ny olona ny boriky moana, vao nahasakana ilay mpaminany tsy hikiry amin’ny hadalàny.


Hahita loza ireo, fa nizotra tamin’ny lalana efa nizoran’i Kaina, nihitsoka tamin’ny hadisoana efa nahavoa an’i Balahàma mba hahazoana tamby, ary efa ringana tamin’ny fikomiana nataony toy ny naharingana an’i Kôrà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra