Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 22:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Tezitra mafy tamin’i Balahama Andriamanitra raha nahita azy nandeha ihany; ary nijanona teo an-dalana hisakana azy ny anjelin’ny TOMPO raha iny izy nizotra nitaingina ny borikiny sady narahin’ny mpanompony roa lahy iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Nirehitra taminy anefa ny fahatezeran’Andriamanitra satria nandeha izy; ary ilay Anjelin’NY TOMPO nijoro teo an-dalana mba hisakana azy. Ary i Balama dia nitaingina ny borikiny ary niaraka taminy ny zatovony roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Tezitra mafy tamin’i Balahama Andriamanitra raha nahita azy nandeha ihany; ary nijanona teo an-dalana hisakana azy ny anjelin’ny TOMPO raha iny izy nizotra nitaingina ny borikiny sady narahin’ny mpanompony roa lahy iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Nirehitra anefa ny hatezeran’Andriamantra raha nandeha izy ka nankeo amin’ny lalana ny Anjelin’i Iaveh hisakana azy. Nitaingina ny ampondrany i Balaama ary narahin’ny mpanompony roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary nirehitra taminy ny fahatezeran’Andriamanitra, satria nandeha izy; ka dia nijanona teo an-dàlana Ilay Anjelin’i Jehovah ho mpisakana azy. Ary Balama nitaingina ny borikiny, ary ny zatovony roa lahy nanaraka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary nirehitra taminy ny fahatezeran'Andriamanitra, satria nandeha izy; ka dia nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin'i Jehovah ho mpisakana azy. Ary Balama nitaingina ny borikiny, ary ny zatovony roa lahy nanaraka azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 22:22
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Jehò: –Aoka hisy fivoriana manokana hankalazana an’i Bahala! Dia natao ny fiantsoana.


«Haniraka anjely iray hialoha anareo Aho, mba hiaro anareo eny an-dàlana; izy no hitarika anareo ho ao amin’ny tany izay efa nomaniko ho anareo.


Nony teny an-dalana, indray alina tao an-tranombahiny, dia nanatona an’i Mosesy ny TOMPO ka nitady hamono hahafaty azy.


Nanenjan-tsipîka toy ny fahavalo Izy ary naninji-tanana ankavanana hitifitra. Niseho toy ny rafilahy Izy ka nandripaka ny zavatra rehetra mahafinaritra ny masonay. Ny fahatezerany dia nararany toy ny afo teo ambonin’ny tempolin’i Tsiôna.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Hôsea: «Ataovy hoe Jizrehèla ny anarany, satria tsy ho ela ny hanafaizako ny taranak’i Jehò noho ny ra latsaka tao Jizrehèla; ary hofaranako ny fanjakan’ny taranak’i Israely.


Hitan’ny boriky ilay anjelin’ny TOMPO nijanona teo amin’ny lalana sady nitana sabatra; dia nivily lalana ny boriky ka namantana tany amin’ny saha. Nokapohin’i Balahama ilay boriky mba hiverina amin’ny lalana.


Fa hoy ilay anjelin’ny TOMPO taminy: –Nahoana no nokapohinao intelo ny borikinao? Tonga aho hisakan-dalana anao, satria heveriko fa mankamin’ny fahaverezana ny dianao.


Fa hoy ny navalin’ilay anjelin’ny TOMPO azy: –Tsia! Mandehana ihany miaraka amin’ireo olona ireo, saingy izay teny asaiko lazainao ihany no holazainao. Dia nanohy ny diany niaraka tamin’ireo irak’i Balàka i Balahama.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra