Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 20:8 - DIEM PROTESTANTA

8 –Raiso ny tehinao, ka vorionao sy i Aharôna rahalahinao ny Israelita. Eo imason’izy ireo no hitenenanareo amin’ny vatolampy, dia hanome rano izy. Eny, hampiboiboika rano ho azy ireo avy amin’io vato io ianao, ka hampisotro ny Israelita sy ny biby fiompiny!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Alao ny tehina ka vorionao sy i Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin’ny vatolampy eo imasony dia hanome ny ranony izy; hampivoaka rano ho an’ny olona avy amin’ny vatolampy tokoa ianao ka hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 –Raiso ny tehinao, ka vorionao sy i Aharôna rahalahinao ny Israelita. Eo imason’izy ireo no hitenenanareo amin’ny vatolampy, dia hanome rano izy. Eny, hampiboiboika rano ho azy ireo avy amin’io vato io ianao, ka hampisotro ny Israelita sy ny biby fiompiny!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 «Alao ny tehina, ka vorionao sy i Aarôna, rahalahinao, ny fiangonana. Eo anatrehan’izy ireo ianareo, dia hiteny amin’ny vatolampy, mba hampiboiboika ny ranony izy, ka dia hampivoaka rano avy amin’ny vatolampy ho azy ireo ianao, ary hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin’ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an’ny olona avy amin’ny vatolampy hianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin'ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an'ny olona avy amin'ny vatolampy ianao, ka dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Alao ny tehina ka vorionao sy i Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin’ny vatolampy eo imasony dia hanome ny ranony izy; hampivoaka rano ho an’ny olona avy amin’ny vatolampy tokoa ianao ka hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 20:8
31 Rohy Ifampitohizana  

Moa misy zavatra tsy hain’ny TOMPO tanterahina ve? Koa rehefa miverina eto aminao aho amin’ny herintaona toy izao, dia hanan-janaka lahy i Sarà.


Mofo avy tany an-danitra no nomenao azy hanafaka ny hanoanany; rano avy tamin’ny vatolampy no navoakanao hanala hetaheta azy; ary nilazanao izy fa hiditra haka ny tany izay efa nianiananao homena azy.


Nosokafany ny vatolampy, dia nigororoana ny rano ka zary renirano nizotra teny an-tany hay.


fa manova ny vatolampy ho farihy Izy, mahatonga ny karaobato ho loharano!


Fa niteny Izy, dia tonga izay voalazany; nandidy Izy, dia nisy avy hatrany ireny.


Ingao ny tehinao, ka ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao. Ary saraho ny rano, dia hamaky eo afovoan’ny rano eo amin’ny tany maina ny Israelita.


Dia hoy i Mosesy tamin’i Josoa: –Mifidiana lehilahy afaka hiaro antsika, dia mivoaha hiady amin’ny Hamalekita. Izaho kosa rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ny havoana miaraka amin’ny tehin’Andriamanitra eny an-tanako.


Ankoatra izany, dia ento eny an-tananao iny tehina iny mba hanaovanao zava-mahagaga.


Ary hoy ny TOMPO taminy: –Inona moa iny an-tananao iny? Dia novaliany hoe: –Tehina!


Koa nalain’i Mosesy ny vadiny aman-janany, natainginy teo amin’ny borikiny, dia niverina ho any Ejipta izy. Ary nataony an-tanana koa ilay tehina nasain’Andriamanitra nentiny.


Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna izay nandidian’ny TOMPO azy; ary teo imason’ny Farao sy ny tandapany no nanaingan’i Aharôna ny tehiny ka nikapohany ny ranon’i Neily, dia niova ho ra ny rano rehetra tao amin’ny ony.


Dia hanome voninahitra Ahy ny bibidia mbamin’ny amboahaolo sy ny vorombe, satria manisy rano any an-taniefitra Aho sy nampandriaka ony an-tany karakaina mba hampisotroako ny vahoaka nofidiko,


Tsy nangetaheta ireo olony tamin’ny nitondrany azy tany an-taniefitra. Nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ny vatolampy Izy: eny, novakîny ny vatolampy ka nandriaka ny rano.


Ningain’i Mosesy ny tanany ka nokapohiny indroa tamin’ny tehiny ny vatolampy; dia niboiboika be ny rano ka samy nisotro avokoa ny olon-drehetra mbamin’ny biby fiompiny.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:


izay ombàn’ny sakeli-dranony ka mitsontsorika mankany Hàra ary manaraka ny sisin-tanin’i Môaba...»


Fantsakana nohadin’ireo filoha nombàn’ny tehim-pahefàny; fantsakana nolavahan’ireo loholona nombàn’ny tehim-pifehezany.» Rehefa niala tao an-taniefitra ny Israelita, dia nankany Matanà.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Izao no lazaiko marina aminareo; raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia tsy izao nataoko tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa na itsy tendrombohitra itsy aza hitenenanareo hoe: «Mialà eo ary mianjerà any an-dranomasina», dia ho tonga izany.


Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo; tsy mainka ve ny Ray Izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina an’izay mangataka aminy?


Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona noho ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho feno ny hafalianareo.


Niray fo izy rehetra sady nazoto nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy mpino sy i Maria renin’i Jesoa mbamin’ireo rahalahin’i Jesoa.


Dia nitsoka trompetra ny mpisorona. Ka raha vao nandre ny feon-trompetra ny vahoaka, dia nanezaka mafy nanao akoran’ady; koa nirodana tamin’izay ny manda. Dia niakatra hamely tao an-tanàna samy araka ny tandrifiny avy ny Israelita ka naka ny tanàna.


Rehefa re manao feo lavareny ny trompetra, dia hanakora mafy ny vahoaka rehetra ka hirodana amin’izay ny mandan’ny tanàna; ary hiakatra hamely samy araka ny tandrifiny avy ny Israelita.


Dia nasehon’ny anjely tamiko ity onin-dranovelona manganohano toy ny vato kristaly, nivoaka avy teo amin’ilay sezafiandrianana ipetrahan’Andriamanitra sady ipetrahan’ny Zanakondry.


Ary hoy ny Fanahy Masina sy ny ampakarina hoe: «Avia!» Izay mahare, aoka hanao hoe: «Avia!» Izay mangetaheta, aoka ho avy; izay maniry ranovelona, aoka hanovo maimaimpoana amin’izany!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra