Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 18:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Ny levita ihany no hanatanteraka ny fanompoana momba ny Tranolay fihaonana, ary izy ihany no itambesaran’ny hadisoana vitany ao. Ho lalàna raikitra eo amin’ny taranakareo hatrany izany. Tsy handray faritany ho lova eo anivon’ny Israelita ny levita,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Fa ny levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny tranolay fihaonana ary izy ireo no hitondra ny helony; ho lalàna maharitra amin’ny taranakareo hatramin’ny taranaka fara aman-dimby izany, fa tsy hanan-tany ho lova eo amin’ny Zanak’Israely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Ny levita ihany no hanatanteraka ny fanompoana momba ny Tranolay fihaonana, ary izy ihany no itambesaran’ny hadisoana vitany ao. Ho lalàna raikitra eo amin’ny taranakareo hatrany izany. Tsy handray faritany ho lova eo anivon’ny Israelita ny levita,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Ny Levita ihany no hanao ny raharahan’ny trano lay fihaonana, dia izy no hitondra ny helony. Ho lalàna mandrakizay amin’ny taranakareo, no tsy hananany lova eo afovoan’ny zanak’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra ny helony; ho lalàna mandrakizay amin’ny taranakareo hatramin’ny taranaka fara mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin’ny Zanak’Isiraely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra ny helony; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny taranaka fara mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin'ny Zanak'Isiraely izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 18:23
10 Rohy Ifampitohizana  

I Aharôna sy ny taranany no hametraka ny fitoeran-jiro ao amin’ny Tranolay fihaonana, eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina; ny jiro dia hirehitra manomboka ny hariva ka hatramin’ny maraina eo anatrehako Izaho TOMPO. Fepetra raikitra hotanterahin’ny Israelita isaky ny taranaka mifandimby izany.


«Ary ireo Levita izay nanalavitra Ahy, ka niaraka tamin’ny Israelita hafa nivily niala tamiko mba hanompo ireo sampiny, dia hizaka ny vokatry ny heloka vitany.


Ary hoy ny TOMPO tamin’i Aharôna: –Ianao sy ny taranakao ary ny taranak’i Levỳ razambenao no hitambesaran’ny heloka atao amin’ny Toeramasina. Fa ianao sy ny taranakao irery ihany no ho tompon’andraikitry ny heloka ataonareo amin’ny fisoronana.


Dia hoy indray ny TOMPO tamin’i Aharôna: –Tsy mba hahazo fananana sy anjara ianao eo amin’ny tanin’ireo Israelita, fa Izaho no anjaranao sy fanananao eo anivon’ny Israelita hafa.


«Ho lalàna raikitra ho an’ny Israelita izany. Izay manao fafy rano amin’io rano fanadiovana io dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika io rano fandiovana io dia haloto mandra-paharivan’ny andro.


Ny fitambaran’ny lehilahy levita rehetra nihoatra ny iray volana dia 23 000. Tsy niara-natao fanisana tamin’ny Israelita izy, satria tsy mba nomena zaratany teo anivon’ny Israelita.


Eo anoloan’ny Tranolay fihaonana no hanatanterahany ny asany ho an’i Aharôna sy ho an’ny fiangonana manontolo, ka hanaovany ny fanompoana ao amin’ny Fonena-masina.


«Izany fomba fanao izany dia hampiharinareo hatrany, na aiza na aiza honenanareo.


Izany no tsy ananan’ny levîta zaratany na anjara eo amin’ny Israelita namany; fa ny TOMPO no anjarany, araka izay nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitrareo taminy.)


Ny fokon’i Levỳ kosa no hany tsy nomen’i Mosesy zaratany holovany. Ny anjarany dia alaina amin’ny sorona dorana amin’ny afo ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely araka izay efa nampanantenain’ny Tompo azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra