Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 17:11 - DIEM PROTESTANTA

11 ary hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Raiso ny fitaovam-panembohana, dia asio vainafo avy amin’ny alitara sy vovo-javamanitra ary mankanesa haingana eo amin’ny fiangonana ka manaova ny fombam-pivavahana hahazoany famelan-keloka. Fa efa nisafoaka ny fahatezeran’ny TOMPO ary efa miantomboka ny areti-mandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Hoy i Mosesy tamin’i Arona: Alao ny fitondrana afo dia asio afo avy eo amin’ny alitara izany ary asio ditin-kazo manitra ka ento haingana eo amin’ny fiangonana ary manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy amin’NY TOMPO ny fahatezerana ary efa miantomboka ny areti-mandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 ary hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Raiso ny fitaovam-panembohana, dia asio vainafo avy amin’ny alitara sy vovo-javamanitra ary mankanesa haingana eo amin’ny fiangonana ka manaova ny fombam-pivavahana hahazoany famelan-keloka. Fa efa nisafoaka ny fahatezeran’ny TOMPO ary efa miantomboka ny areti-mandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Alao ny fanembohana ary asio afo avy eo ambonin’ny ôtely, asio zava-manitra, ka mandehana faingana eo amin’ny fiangonana, dia manaova ny fanonerana ho azy ireo, fa efa nivoaka avy eo anatrehan’i Iaveh ny fahatezerana, ary efa manomboka ny loza.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary hoy Mosesy tamin’i Arona: Alao ny fitondran-afo, ka asio afo avy eo ambonin’ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin’ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin’i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Alao ny fitondran'afo, ka asio afo avy eo ambonin'ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin'ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin'i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Hoy i Mosesy tamin’i Arona: Alao ny fitondrana afo dia asio afo avy eo amin’ny alitara izany ary asio ditin-kazo manitra ka ento haingana eo amin’ny fiangonana ary manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy amin’NY TOMPO ny fahatezerana ary efa miantomboka ny areti-mandringana.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 17:11
6 Rohy Ifampitohizana  

Na inona na inona ady avy amin’ny mpiray firenena, any amin’ny tanàna fonenany any momba ny vonoan’olona na momba ny lalàna sy didy amam-pitsipika samy hafa, dia anaro izy; dia tsy ho meloka amin’ny TOMPO ireo, ary tsy hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ianareo sy ny mpiray firenena aminareo. Izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.


Manaraka izany, rehefa voavonon’i Aharôna ny osilahy izay hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny vahoaka israelita, dia hoentiny miditra ao anatin’ny Toeramasina Indrindra koa ny rany; hataony tahaka ny efa nataony tamin’ny ran’ilay ombilahy izany, ka hafafiny eo ambonin’ny rakotra volamena sy eo anoloany.


Ary hotontosain’i Aharôna ny fombam-pivavahana fanadiovana ny Toeramasina Indrindra, noho ny fahalotoana amam-pahadisoan’ny Israelita, araka ny fahotana rehetra vitany; toy izany koa no hataon’i Aharôna amin’ny faritra sisa ao amin’ny Tranolay fihaonana, izay mitoetra miaraka amin’ny Israelita sady eo afovoan’ny fahalotoany.


Fa raha mbola tsy voatsako tao am-bavany akory ny hena, dia nirehi-pahatezerana tamin’ny vahoaka ny TOMPO, ka namely azy tamin’ny areti-mandringana.


–Mialà ianareo amin’io fiangonana io fa handringana azy indray mipi-maso Aho. Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy,


Noraisin’i Aharôna araka ny tenin’i Mosesy ny fitaovana fandoroana zava-manitra, dia nilomay nankeo afovoan’ny fiangonana izy; ary indro fa efa niantomboka tamin’ny vahoaka ny loza. Nandoro vovo-javamanitra teo izy ka nanao ny fombam-pivavahana hahazoam-pamelan-keloka ho an’ny vahoaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra