Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 14:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Fa nahoana isika no nentin’ny TOMPO ho lavon-tsabatra amin’ny tany toy izany? Ho lasan-ko babo avokoa ny vady aman-janatsika; koa tsy aleontsika ve miverina indray any Ejipta?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Nahoana NY TOMPO no nitondra antsika ho atỳ amin’ity tany ity mba ho lavon-tsabatra ka ho tonga babo ny vadintsika sy ny zanatsika madinika. Tsy aleontsika va miverina ho any Ejipta?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Fa nahoana isika no nentin’ny TOMPO ho lavon-tsabatra amin’ny tany toy izany? Ho lasan-ko babo avokoa ny vady aman-janatsika; koa tsy aleontsika ve miverina indray any Ejipta?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Nahoana no dia nentin’i Iaveh amin’ity tany ity isika, ka ho lavon-tsabatra? Ary ny vady aman-janatsika ho lasan-ko babo. Tsy aleontsika va miverina ho any Ejipta?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin’ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin'ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Nahoana NY TOMPO no nitondra antsika ho atỳ amin’ity tany ity mba ho lavon-tsabatra ka ho tonga babo ny vadintsika sy ny zanatsika madinika. Tsy aleontsika va miverina ho any Ejipta?

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 14:3
14 Rohy Ifampitohizana  

ary nandà tsy nety nanaraka izany sady tsy nahatsiaro ny zava-mahagaga nataonao hanasoavana azy; eny, nanamafy ny hatony izy ka nanao di-doha hiverina amin’ny fanandevozana azy tany Ejipta. Fa Andriamanitra mpamela heloka Ianao, Andriamanitra miantra sy mamindra fo, ary mahari-po sady be hatsarampo, ka dia tsy nafoinao ny razanay.


Impiry impiry akory moa ireo no efa nikomy taminy tany an-taniefitra ka nampahatezitra Azy tany an-tany foana!


ka nanao taminy hoe: –Inay anie izahay mba novonoin’ny Tompo ho faty tany Ejipta, fony izahay nanodidina ny vilanin-kena iny, ka nihinana araka izay lany! Fa izao dia nentinareo ho faty noana atỳ an-taniefitra atỳ izahay rehetra!


ka hoy ireto mpitandrin-draharaha tamin’izy mirahalahy: –Aoka ho hitan’ny TOMPO izao nataonareo izao ka hanamelohany anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra tamin’ny Farao sy ny tandapany izahay; eny, nasianareo sabatra eny an-tanan’ireo mba hamonoany anay!


fa handeha any Ejipta mba tsy hahita ady sy tsy handre ny feon’ny anjomara ary tsy ho faty mosary intsony, dia hipetraka any!


Dia mbola nampian’i Jeremià hoe: –Ny TOMPO mihitsy no miteny aminareo sisa tavela amin’ny fanjakan’i Joda mba tsy hankany Ejipta. Aoka ho fantatrao tokoa fa vavolombelona aminareo aho androany.


Samia miaro tena amin’ny namany avy ianareo ary aza matoky olona na dia ny rahalahy aza; fa Jakôba vaovao mamitaka tokoa izy, ary na ny sakaiza aza manaratsy anareo.


fa iray volana maninjitra manda-pahafeno hatreny am-bavoronareo ka hampaharikoriko anareo. Ho sazinareo izany noho ny nandavanareo ny TOMPO Izay eo aminareo sy ny nitomanianareo teo anatrehany hoe: ‹Nahoana re no niala tany Ejipta izahay?› »


Tsy ampy anao ve ny namoahanao anay nandao tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay atỳ an-taniefitra, no mbola mitady hibaiko anay indray ianao!


ka nilany ady i Mosesy ka nataony hoe: –Raha mba maty tamin’ny nahafatesan’ny mpiray firenena aminay teo anatrehan’ny TOMPO manko izahay!


Koa nanomboka nanakiana an’Andriamanitra sy i Mosesy ny olona nanao hoe: –Nahoana no nentinareo niala tany Ejipta mba ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Atỳ anefa tsy misy na mofo na rano, ary efa leon’itony mofomofo ratsy na hoe mana itony izahay.


Tsy te hanoa an’i Mosesy anefa ny razantsika fa nanohitra azy ary naniry hiverina ilalana ho any Ejipta indray.


Ny zanakareo nolazainareo fa ho babom-pahavalo, eny, ny zanakareo tsy mbola mahay manavaka izay tsara sy ratsy amin’izao andro izao, dia ireo no hiditra izany tany izany, ireo no homeko azy, ireo no hanana azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra