Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 14:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Nandritra ny alina manontolo dia nikiakiaka sy nitomany avokoa ny vahoaka tafangona teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Dia nanandratra ny feony ny fiangonana manontolo ka nitaraina; nitomany ny olona nandritra iny alina iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Nandritra ny alina manontolo dia nikiakiaka sy nitomany avokoa ny vahoaka tafangona teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Dia nanandra-peo nikiakiaka ny fiangonana rehetra, ka nitomany ny vahoaka nandritra iny alina iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 DIA nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin’iny alina iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin'iny alina iny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Dia nanandratra ny feony ny fiangonana manontolo ka nitaraina; nitomany ny olona nandritra iny alina iny.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 14:1
13 Rohy Ifampitohizana  

fa nikomy tao an-dainy izy ary tsy nihaino intsony izay nolazain’ny TOMPO.


Na teo aza izany rehetra izany, dia mbola nanota ihany ireo; ary na teo aza ny zava-mahagaga nataony, dia tsy natoky an’Andriamanitra izy.


Rehefa nalefan’ny Farao ny Israelita, dia tsy notarihin’Andriamanitra lalana hankany amin’ny tanin’ny Filistinina na dia akaiky aza io. Nanahy mantsy Andriamanitra fandrao hatahotra ny hahita ady ny vahoaka ka hiova hevitra, ary hiverina any Ejipta.


Nony ren’ny vahoaka izany teny fandrahonana izany, dia nisaona izy, ka tsy nisy olona nitondra haingo intsony.


I Setora zanakalahin’i Mikaela, avy amin’ny fokon’i Asera;


Hitanay tao hatramin’ireo olona goavambe taranak’i Hanàka aza; tahaka ny valala izahay miohatra aminy, ary dia toy izany koa no fijeriny anay.


Nimonomonona tamin’i Mosesy sy I Aharôna ny Israelita rehetra ka nanao hoe: –Tsara kokoa ho antsika ny maty tany Ejipta na koa maty tatỳ an-taniefitra.


Kanefa tsy nety niakatra ianareo, fa nandà ny tenin’ny TOMPO Andriamanitrareo.


Dia niverina ianareo, ka nitomany teo anatrehan’ny TOMPO; nefa tsy nihaino ny feonareo IZY na nanongilan-tsofina taminareo.


Ary fony nampandehanin’ny TOMPO niala tao Kadesy-Barnea ianareo ka nataony hoe: «Miakara ka alaovy ho fanananareo ny tany izay omeko anareo», dia nolavinareo ny tenin’ny TOMPO; fa tsy nino Azy ianareo na nihaino ny feony.


Ireo namana izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ny vahoaka, fa izaho kosa nifikitra tanteraka tamin’ny TOMPO Andriamanitro.


Dia nanala ny fony nitomany i Davida sy ireo mpanaraka azy mandra-pahatankin’ny ranomasony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra