Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 10:8 - DIEM PROTESTANTA

8 «Ireo mpisorona taranak’i Aharôna ihany no hitsoka ny trômpetra; lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ny mpisorona, zanak’i Arona, no hitsoka ny trompetra. Ho lalàna maharitra ho anareo hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 «Ireo mpisorona taranak’i Aharôna ihany no hitsoka ny trômpetra; lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Ireo mpisorona zanak’i Aarôna, no hitsoka ny trômpetra; lalàna ho anareo sy ny taranakareo hatrany hatrany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo hatramin’ny taranakareo fara mandimby izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Ny mpisorona, zanak’i Arona, no hitsoka ny trompetra. Ho lalàna maharitra ho anareo hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 10:8
5 Rohy Ifampitohizana  

toraka izany koa i Hôbeda-Edôma sy i Jehià mpiandry vavahady. Ary ireto mpisorona ireto kosa, dia i Sebanià sy i Jôsafata, i Natanaela sy i Hamasay mbamin’i Zakarià sy i Benaià ary i Elihezera, no nitsoka trompetra teo alohan’ny Vatamasin’Andriamanitra.


I Benaià sy i Elihezera mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’Andriamanitra.


Dia nalefan’i Mosesy hiantafika izy rehetra ireo niaraka tamin’i Pinehasa mpisorona sady zanakalahin’i Elehazara; i Pinehasa no nitondra ny fitaovana masina ary koa ny trompetra mpanainga hiady.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra