Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 1:54 - DIEM PROTESTANTA

54 Notanterahin’ny Israelita avokoa izany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

54 Dia nataon’ny Zanak’Israely izany. Araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

54 Notanterahin’ny Israelita avokoa izany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

54 Dia notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy; nataony izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

54 Dia nataon’ny Zanak’Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

54 Dia nataon'ny Zanak'Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

54 Dia nataon’ny Zanak’Israely izany. Araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 1:54
17 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia lasa izy ireo ka nanatanteraka araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna.


Vita ny asa rehetra momba ny fonena-masina na Tranolay fihaonana. Araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy no nanatanterahan’ny Israelita izany.


Koa rehefa hitan’i Mosesy fa vita araka izay nandidian’ny TOMPO avokoa ny zavatra rehetra, dia nitsodrano ny Israelita izy.


Notanterahin’i Mosesy an-tsakany sy an-davany ny baiko rehetra nomen’ny TOMPO,


Nisasa toy izany ireo isaky ny hiditra ao amin’ny Tranolay fihaonana sy hanatona ny alitara, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


mifanaraka amin’ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Tao an-taniefitr’i Sinay no nanaovany ny fanisana.


Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonena-masina mba tsy hirehitra amin’ny fiangonan’ny Israelita ny fahatezerako.»


Niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO nanao hoe:


Notanterahin’ny Israelita izany, araka ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy; ka araka ny fanevany avy no nitobiany ary araka ny foko sy ny tarika nisy azy avy no niaingany.


Dia nataon’ny zanakavavin’i Tselôfehada araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy izany,


Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna mbamin’ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tamin’ny Levita izany; dia araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny Levita no nataon’ny Israelita taminy.


Eny, fa na mijanona maharitra roa andro na iray volana na ela noho izany eo ambonin’ny Fonena-masina aza ny rahona, dia mitoby hatrany ny Israelita fa tsy mandeha; rehefa miakatra ny rahona, vao izay izy no miainga.


dia nankalaza ny Paska tany an-taniefitr’i Sinay ireo ny harivan’ny andro faha-14 tamin’ny volana voalohany. Nataon’ny Israelita araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy izany.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Dia hoy indray i Samoela hoe: –Moa sitraky ny TOMPO mihoatra noho ny fankatoavana AZY ve ny sorona dorana manontolo sy sorona hafa? Tsia! Fa tsara noho ny sorona rehetra ny fankatoavana AZY ary tsara noho ny jaboran’ondrilahy ny fanekena Azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra