Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 1:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Ireo no filoham-pianakaviana voafidin’ny fiangonana sady filohan’ny miaramilan’i Israely ihany koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ireo no voaantso teo amin’ny fiangonana, samy lohan’ny fokony avy sady mpifehy arivo amin’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Ireo no filoham-pianakaviana voafidin’ny fiangonana sady filohan’ny miaramilan’i Israely ihany koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Ireo no voafidy tamin’ny fiangonana. Lohan’ny firenena avy amin’ny razany izy sy mpifehy arivo amin’i Israely.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ireo no voafidin’ny fiangonana, dia samy lohan’ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin’ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ireo no voafidin'ny fiangonana, dia samy lohan'ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin'ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Ireo no voaantso teo amin’ny fiangonana, samy lohan’ny fokony avy sady mpifehy arivo amin’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 1:16
20 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny amin’ny sisa, dia mifidiana lehilahy be herimpo ao amin’ny vahoaka, dia lehilahy fatra-panaja an’Andriamanitra, tia fahamarinana sady tsy mandray tsolotra; ka tendreo ireo ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.


nifidy lehilahy be herimpo teo amin’ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon’andraikitra amin’ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.


–Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany amin’ny fahavalo mandra-piavin’ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray; ka izay sisa velona, amin’ireo rahalahiny voasesi-tany, dia hiverina ho any amin’ireo Israelita namany.


Ahira zanak’i Henàna no avy amin’ny fokon’i Naftalỳ.


Nalain’i Mosesy sy i Aharôna ho lefiny ireo olona voatonona anarana ireo,


Aoka hisy lehilahy anankiray isam-poko, dia lehilahy izay tokony ho filoham-pianakaviana, mba hanampy anareo.


Fa raha ny anankiray ihany no tsofina, dia ireo tompon’andraikitra mpifehy arivo amin’ny israelita ihany no hiangona eo aminao.


Fa hidina eo Aho ka hiteny aminao; ary haka amin’ny fanahy izay nomeko anao Aho ka hametraka izany amin’izy ireo mba hiarahany mitondra aminao ity firenena ity; koa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.


hikomy amin’i Mosesy. Nanampy azy ireo tamin’izany ny Israelita miisa 250 izay samy lohandoham-piangonana sady olom-boafidy ary manan-daza.


izay rain’i Nemoela sy i Datàna ary i Abirama. Ireo Datàna sy i Abirama ireo no solotenan’ny Fiangonana izay nanohitra an’i Mosesy sy i Aharôna; niaraka tamin’ny tarik’i Kôra izy roa lahy raha nikomy tamin’ny TOMPO izy ireo.


Dia nolazain’i Mosesy tamin’ny Israelita izay rehetra nandidian’ny TOMPO azy.


Avy eo dia niroso ireo filoham-pianakaviambe tamin’ny fokon’i Israely, izany hoe ireo nitarika ny fanisana.


Dia nalaiko ny lohandohan’ny fokonareo, dia lehilahy hendry sady hita toetra, ka notendreko ho lehibenareo; tao ny mpifehy arivo sy mpifehy zato mbamin’ny mpifehy dimampolo sy mpifehy folo, ary tao ny mpandraharaha amin’ny fokonareo.


Dia novalian’i Gidehôna hoe: –Indrisy, Tompo ô, ahoana no ahazoako mamonjy an’i Israely? Kanefa ny fianakaviako no osa indrindra amin’ny fokon’i Manase ary izaho no tanora indrindra ao an-tranon’ny raiko.


–Henoy tsara, ry taranak’i Benjamîna! Moa ny zanakalahin’i Jisay ve hanome anareo rehetra saha sy tanim-boaloboka, ary hanendry anareo rehetra ho mpifehy ny antokon-tafiny? Tsia!


Ataovy fantatra avokoa izay toerana rehetra mety iafenany, dia miverena atỳ amiko rehefa tena azonareo antoka, fa hiaraka aminareo aho. Raha mbola eto amin’ny faritany koa iny, dia hosavako avokoa ny isam-pianakaviamben’i Joda mba hahitako azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra