Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 9:48 - DIEM PROTESTANTA

48 Dia niakatra nankany an-tendrombohitra Tsalmôna i Abimelèka sy ny tafika manontolo nomba azy. Ary naka famaky izy, dia nikapa sampan-kazo ka nobetainy izany ary napetrany teo an-tsorony; dia nasainy nanao tahaka izany haingana koa ny tafiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

48 Dia niakatra tany amin’ny tendrombohitra Zalmona i Abimeleka sy ny vahoaka niaraka taminy. Nandray famaky teny an-tanany i Abimeleka dia nikapa sampan-kazo; nobatainy izany dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin’ny vahoaka izay niaraka taminy: Izay hitanareo ataoko dia mba manaova haingana toy izany koa ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

48 Dia niakatra nankany an-tendrombohitra Tsalmôna i Abimelèka sy ny tafika manontolo nomba azy. Ary naka famaky izy, dia nikapa sampan-kazo ka nobetainy izany ary napetrany teo an-tsorony; dia nasainy nanao tahaka izany haingana koa ny tafiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

48 dia niakatra tany an-tendrombohitra i Abimeleka mbamin’ny vahoaka momba azy, nataon’i Abimeleka an-tanana ny famaky, dia nikapa sampan-kazo anankiray izy, ka noingainy nataony an-tsoroka, ary hoy izy tamin’ny vahoaka momba azy: «Toy izay hitanareo nataoko, no mba ataovinareo faingana koa».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

48 Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin’ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

48 Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin'ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

48 Dia niakatra tany amin’ny tendrombohitra Zalmona i Abimeleka sy ny vahoaka niaraka taminy. Nandray famaky teny an-tanany i Abimeleka dia nikapa sampan-kazo; nobatainy izany dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin’ny vahoaka izay niaraka taminy: Izay hitanareo ataoko dia mba manaova haingana toy izany koa ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 9:48
7 Rohy Ifampitohizana  

Na ianareo tsy mba niady aza fa nijanona niandry valan’ondry, dia ho tahaka ny voromahailala misy elany mirava-bolafotsy sy volony mirava-bolamena tsara.


Fony Andriamanitra Tsitoha nanaparitaka ireo mpanjaka teo, dia ilay tendrombohitra hoe Salmôna no indro nilatsahan’ny oram-panala.»


Ary nisy nampandre an’i Abimelèka fa tafangona miafina ao ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema.


Koa samy nikapa sampan-kazo iray avy ny miaramilany rehetra ary nanaraka an’i Abimelèka. Ary nentiny ny sampan-kazo ka natobiny teo anilan’ilay efitrano fierena, dia nodorany io mbamin’izay rehetra tao anatiny. Izany no nahafaty ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema, dia lehilahy sy vehivavy tokony ho arivo.


Ary tonga hatrany amin’ny tilikambo i Abimelèka mba hamely izany; dia nanatona teo am-baravarana izy mba handoro ilay tilikambo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra