Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 9:44 - DIEM PROTESTANTA

44 Ary i Abimelèka sy ny antokony niaraka taminy dia niroatra naka toerana teo ambavahadin’ny tanàna, fa ireo antokony roa hafa kosa niroatra tamin’ireo olona tany an-tsaha ka nandringana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

44 Ary i Abimeleka sy ny antokony niaraka taminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna; ary ny roa toko hafa kosa dia nirohotra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

44 Ary i Abimelèka sy ny antokony niaraka taminy dia niroatra naka toerana teo ambavahadin’ny tanàna, fa ireo antokony roa hafa kosa niroatra tamin’ireo olona tany an-tsaha ka nandringana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

44 I Abimeleka sy ny antokony izay niaraka taminy niroso teo aloha ka naka toerana teo alohan’ny vavahadin’ny tanàna; ary ny anankiroa amin’ireo antokony ireo kosa niroatra hamely ny tany an-tsaha rehetra, ka nandresy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

44 Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan’ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

44 Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan'ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

44 Ary i Abimeleka sy ny antokony niaraka taminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna; ary ny roa toko hafa kosa dia nirohotra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 9:44
5 Rohy Ifampitohizana  

Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao hifandringana.


Ary namaly azy ny kirihitra tsilo hoe: ‹Raha sitrakareo tokoa ny hifidy ahy ho mpanjakanareo, dia avia mipetraka eto ambany alokaloko ianareo! Fa raha tsy hanao izany ianareo, dia aoka hisy afo mivoaka avy amin’ny tsiloko ka handoro hatramin’ny hazo sederan’i Libano aza!› »


Raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo mivoaka avy amin’i Abimelèka ka handoro anareo mponin’i Sekema sy i Bety-Milao, ary aoka hisy afo mivoaka avy aminareo ka handoro an’i Abimelèka!


Dia nalain’i Abimelèka ny tafiny ka nozarainy ho antokony telo, dia niafina tany an-tsaha izy. Ary rehefa hitany fa indreny ny olona nivoaka avy tao Sekema, dia nipoitra hamely azy izy.


Nanohy ny ady tao an-tanàna i Abimelèka ny tontolo andro ka nahazo ny tanàna sy nandringana ny olona rehetra tao; dia noravany ny tanàna ary nofafazany sira ilay toerana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra