Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 9:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Taorian’izany, dia nisy fanahy mampikorontana nalefan’Andriamanitra tamin’ny mpanjaka sy tamin’ny mponin’i Sekema ka nikomy tamin’i Abimelèka ireo Sekemita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Ary Andriamanitra naniraka fanahy ratsy nampisara-tsaina an’i Abimeleka sy ireo lehibe tao Sekema ka nivadika tamin’i Abimeleka ireo lehibe tao Sekema,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Taorian’izany, dia nisy fanahy mampikorontana nalefan’Andriamanitra tamin’ny mpanjaka sy tamin’ny mponin’i Sekema ka nikomy tamin’i Abimelèka ireo Sekemita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 dia nanirahan’Andriamanitra fanahy ratsy i Abimeleka sy ny mponina tao Sikema, ka nivadika tamin’i Abimeleka ny mponina tao Sikema,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin’i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an’i Abimeleka,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin'i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an'i Abimeleka,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Ary Andriamanitra naniraka fanahy ratsy nampisara-tsaina an’i Abimeleka sy ireo lehibe tao Sekema ka nivadika tamin’i Abimeleka ireo lehibe tao Sekema,

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 9:23
15 Rohy Ifampitohizana  

Koa tsy nankatò ny fitakian’ny vahoaka ny mpanjaka; fa ny TOMPO no nahatonga izany zavatra izany mba hahatanteraka ny fampanantenana izay nampilazainy an’i Ahià mpaminany avy any Silao tamin’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata.


Koa tsy nankatò ny fitakian’ny vahoaka ny mpanjaka; fa ny TOMPO no nahatonga izany zavatra izany hahatanteraka ny fampanantenana izay nampilazainy an’i Ahià avy any Silao tamin’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata.


Fa nandatsahan’ny TOMPO fanahy mampivembena izy, ka dia nampivembena an’i Ejipta hatrany eo amin’ny asa rehetra ataon’io firenena io, izay tahaka ny mamo mivembena sady mandoa.


Hoy ny Tompo hoe: «Hampirisihiko hifandramatra ny samy Ejiptianina, ka hiady ny mpianakavy. Samy hiady amin’ny namany avy ny olona; ny tanàna hiady amin’ny tanàna ary ny fanjakana hiady amin’ny fanjakana.


Lozanao, ry ilay tsy norobaina nefa mandroba sy ry ilay tsy nofitahina nefa mamitaka. Rehefa mitsahatra mandrava ianao, dia mba horavana koa; ary rehefa mitsahatra mamitaka, dia mba hofitahina koa.


fa araka izay fomba hitsaranareo olona ihany no hitsaran’Andriamanitra anareo koa, ary araka izay fomba hamaranareo ho an’ny olona ihany no hamaran’Andriamanitra ho anareo koa.


Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany;


Raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo mivoaka avy amin’i Abimelèka ka handoro anareo mponin’i Sekema sy i Bety-Milao, ary aoka hisy afo mivoaka avy aminareo ka handoro an’i Abimelèka!


Nifehy an’i Israely nandritra ny telo taona i Abimelèka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra