Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 9:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Fa namaly azy ny voaloboka hoe: ‹Dia holaviko ve ny hamokatra divay izay mahafaly an’Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevaheva eny ambonin’ny hazo hafa aho?›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko izay mahafaly ireo andriamanitra sy ny olona ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo hafa aho?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Fa namaly azy ny voaloboka hoe: ‹Dia holaviko ve ny hamokatra divay izay mahafaly an’Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevaheva eny ambonin’ny hazo hafa aho?›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny divaiko, izay mampiravoravo an’Andriamanitra sy ny olombelona, ka handeha hihevingevina erỳ ambonin’ny hazo hafa?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko, izay mahafaly an’Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko, izay mahafaly an'Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko izay mahafaly ireo andriamanitra sy ny olona ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo hafa aho?

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 9:13
9 Rohy Ifampitohizana  

dia divay hampifaly ny fon’ny olona, sy menaka hahamiramirana ny endriny ary mofo hanome tohan’aina azy.


Aoka izay efa ho faty no homena toaka ary izay fadiranovana no hotoloran-divay;


Manao sakafo ireo lehibe mba hikoranany; ny divay kosa maharavoravo ny ainy; ary ny vola no hahazoany manao izany rehetra izany.


Tapa-kevitra aho hamalifaly tena amin’ny divay ka hisary adala, nefa dia mbola hanam-pahendrena ho tompon’ny tenako ihany. Mba tiako ho fantatra manko izay tsara tokony hataon’ny olona mandritra ny androm-piainany fohy etỳ ambonin’ny tany.


ary divay telo litatra no haterina miaraka amin’ny ombilahy; ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY izany.


ary hanolotra divay iray litatra sy tapany miaraka amin’ny zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana.


ary divay roa litatra no haterina miaraka amin’ny ondrilahy; ka hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY izany.


Ary hoy koa ireo hazo tamin’ny voaloboka: ‹Andao ianao hanjaka aminay.›


Farany, dia ny kirihitra tsilo no nitenenan’ny hazo rehetra hoe: ‹Andao ianao hanjaka aminay.›


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra