Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:8 - DIEM PROTESTANTA

8 dia nanirahany mpaminany hiteny aminy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nitondra anareo niala tany Ejipta sy namoaka anareo tao amin’ny toerana nanandevozana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 dia nirahin’NY TOMPO ho any amin’ny Zanak’Israely ny mpaminany iray izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta, sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny trano nanandevozana

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 dia nanirahany mpaminany hiteny aminy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nitondra anareo niala tany Ejipta sy namoaka anareo tao amin’ny toerana nanandevozana anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 dia naniraka mpaminany anankiray tamin’ny zanak’i Israely i Iaveh. Hoy izy taminy hoe: «Izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta Aho; ary namoaka anareo tamin’ny trano fanandevozana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Jehovah dia naniraka mpaminany anankiray ho any amin’ny Zanak’Isiraely, izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry nỳ Isiraely: Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Egypta sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny trano nahandevozana

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Jehovah dia naniraka mpaminany anankiray ho any amin'ny zanak'Isiraely, izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Egypta sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny trano nahandevozana

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 dia nirahin’NY TOMPO ho any amin’ny Zanak’Israely ny mpaminany iray izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta, sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny trano nanandevozana

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:8
12 Rohy Ifampitohizana  

Nampitandrina ny vahoakan’i Israely sy i Joda tamin’ny alalan’ny mpaminany sy mpahita rehetra ny TOMPO nanao hoe: –Ialao ny toe-dratsinareo ka tandremo ny didy sy baiko nataoko araka ny lalàna manontolo izay nandidiako ny razanareo sy nampitondraiko ireo mpaminany mpanompoko ho anareo.


Hitany ny fijalian’ireo ary reny ny fitarainany.


Koa rehefa manontany anareo ny zanakareo any aoriana hoe: «Inona no anton’izao?», dia hovalianareo hoe: «Tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anay hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anay.


Dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: –Tsarovy ity andro anio ity: Fa tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anareo hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anareo. Koa rehefa mankalaza izany ianareo, dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora.


Rehefa nitaraina tamin’ny TOMPO ny Israelita mba hanafaka azy amin’ny Midianita,


Izaho no nanafaka anareo teo am-pelatanan’ny Ejiptianina sy izay rehetra nampahory anareo. Noroahiko ny fahavalonareo arakaraky ny nandrosoanareo ka nomeko anareo ny taniny.


ka nanao tamin’izy ireo hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nampiakatra anareo Israelita hiala avy tany Ejipta; Izaho no namonjy anareo tamin’ny vahoakan’ny Ejiptianina sy ny fanjakana rehetra izay namoritra anareo.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra