Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:37 - DIEM PROTESTANTA

37 dia indro havelatro eo am-pamoloana ny volon’ondry; ka raha ny volon’ondry ihany no lenan’ny ando, fa ny tany manodidina azy kosa ho maina avokoa, dia ho fantatro fa ny tanako tokoa no hamonjenao an’i Israely, araka izay efa nambaranao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

37 indro, hapetrako eo amin’ny famoloana ity faham-bolon’ondry iray ity; koa raha ny volon’ondry ihany no lenan’ny ando fa maina kosa ny tany manontolo dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Israely araka izay nolazainao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

37 dia indro havelatro eo am-pamoloana ny volon’ondry; ka raha ny volon’ondry ihany no lenan’ny ando, fa ny tany manodidina azy kosa ho maina avokoa, dia ho fantatro fa ny tanako tokoa no hamonjenao an’i Israely, araka izay efa nambaranao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

37 indro hametraka volon’ondry eto am-pamoloana aho, ka raha ny volon’ondry irery no lenan’ny ando, fa ny tany rehetra kosa ho maina, dia ho fantatro fa ny tanako tokoa no hanafahana an’i Israely araka ny voalazanao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

37 indro, hapetrako eo amin’ny famoloana ity volon’ondry iray manontolo ity, ka raha ny volon’ondry ihany no lenan’ny ando, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tànako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

37 indro, hapetrako eo amin'ny famoloana ity volon'ondry iray manontolo ity, ka raha ny volon'ondry ihany no lenan'ny ando, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

37 indro, hapetrako eo amin’ny famoloana ity faham-bolon’ondry iray ity; koa raha ny volon’ondry ihany no lenan’ny ando fa maina kosa ny tany manontolo dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Israely araka izay nolazainao.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:37
11 Rohy Ifampitohizana  

Koa izay zatovovavy hangatahako mba hampidina kely ny sininy hisotroako, ka hamaly hoe: «Misotroa ary aoka ny ramevanao hampisotroiko ihany koa!», dia amin’izay no hahafantarako fa izy no voatendrinao ho an’i Itsehàka mpanomponao ary efa naneho fahasoavana tamin’ny tompoko Ianao.


Aoka izy ho tahaka ny erika mifafy amin’ny vilona, ho tahaka ny oram-baventy manondraka ny tany!


Izaho TOMPO dia hanasitrana an’ilay Israely amin’ny fiodinany. Ho tia azy amim-po malalaka Aho; fa efa nialan’ny fahatezerako izy.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Tsy nirahina Aho afa-tsy amin’ireo ondry very, dia ny vahoaka Israely!


Ny anatro anie hitosaka toy ny orana, dia toy ny oram-batravatra amin’ny vilona; ny teniko anie hirotsaka toy ny ando, dia toy ny erikerika amin’ny ahi-maitso.


Dia namaly Azy i Gidehôna hoe: –Raha sitrakao àry, dia mba omeo famantarana aho fa Ianao tokoa no miteny amiko.


Dia hoy i Gidehôna tamin’Andriamanitra: –Raha sitrakao tokoa ny hamonjy ny Israelita amin’ny alalan’ny tanako araka izay efa voalazanao,


Dia tanteraka tokoa araka izany; fa raha nifoha maraina i Gidehôna ny ampitso ka nofiazany ny volon’ondry, dia nisy ranon’ando tokony hahafeno kaopy iray.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra