Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 3:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Ireo no nizahan’ny TOMPO toetra ny Israelita mba hahafantarany na hankatò ny didy izay nomeny ny razany tamin’ny alalan’i Mosesy izy na tsia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ireo dia noentina hizaha toetra ny Israely mba hahalalana na hihaino ny didin’NY TOMPO izay nasainy nandidian’i Mosesy ny razany, izy na tsia.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ireo no nizahan’ny TOMPO toetra ny Israelita mba hahafantarany na hankatò ny didy izay nomeny ny razany tamin’ny alalan’i Mosesy izy na tsia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Ireo no nokendrena hozahan-toetra an’i Israely, mba hahitana raha hitandrina ny didy izay nandidian’i Iaveh ny razany tamin’ny alalan’i Môizy izy ireo na tsia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin’i Jehovah, izay nasainy nandidian’i Mosesy ny razany, izy, na tsia.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin'i Jehovah, izay nasainy nandidian'i Mosesy ny razany, izy, na tsia.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Ireo dia noentina hizaha toetra ny Israely mba hahalalana na hihaino ny didin’NY TOMPO izay nasainy nandidian’i Mosesy ny razany, izy na tsia.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 3:4
7 Rohy Ifampitohizana  

Niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy, dia natorony rantsan-kazo iray. Natsipin’i Mosesy tao anaty rano izany ka nanjary mamy ny rano. Tao no nanomezan’ny TOMPO fitsipika sy fombafomba ho an’ny Israelita ary nizahany toetra azy ireo.


(Tsy maintsy misy moa ny fitsitokotokoana eo aminareo mba hahitana tsara izay mahafatra-po eo aminareo.)


Ny amin’ny taranak’i Levỳ, dia hoy i Mosesy hoe: «Tompo ô, ny Orîmanao sy Tomîmanao dia nankininao amin’ireto olona mahatoky Anao ireto, izay efa nozahanao toetra tany Masà sy nanarinao mafy teo amin’ny ranon’i Meribà.


Tsarovy avokoa ny lalana izay nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo halehanareo tatỳ an-taniefitra, nandritra izay efapolo taona izay, mba hampanetry tena anareo; nizaha toetra anareo Izy tamin’izany mba hahalalany izay ao am-ponareo na hitandrina ny didiny ianareo na tsia.


Fa hampiasaiko ireny mba hizahako toetra azy na hanaraka ny sitrapoko ny Israelita ka hankatò Ahy tahaka izay nataon’ny razany na tsia.


Ireo firenen-kafa ireo moa no navelan’ny TOMPO haharitra teo amin’ny tany dia mba hizahany toetra ny Israelita rehetra izay tsy mbola nandray anjara tamin’ny ady nahazoana an’i Kanahàna;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra