Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 3:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Ary nony tafavoaka izy, dia tonga ireo mpanompon’ny mpanjaka izay nahita fa mihidy ny efitrano fihatsiatsiahana; koa noheveriny fa mbola miavela ao ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Rehefa tafavoaka izy dia tonga ireo mpanompon’i Eglona; ary hitan’ireo fa indro, voahidy ireo varavaran’ny efitrano ambony ka hoy ireo: Angamba mbola mivoaka ao amin’ny trano mangatsiatsiaka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Ary nony tafavoaka izy, dia tonga ireo mpanompon’ny mpanjaka izay nahita fa mihidy ny efitrano fihatsiatsiahana; koa noheveriny fa mbola miavela ao ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Rehefa tafavoaka izy dia tonga ny mpanompon’ny mpanjaka dia nizaha izy ka indro fa ny varavaram-ben’ny trano ambony dia voahidy karetsaka, ka hoy izy: «Tsy maintsy misaron-tongotra ato an-trano fakàna hatsiatsiaka izy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon’i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran’ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy angaloha.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon'i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran'ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Rehefa tafavoaka izy dia tonga ireo mpanompon’i Eglona; ary hitan’ireo fa indro, voahidy ireo varavaran’ny efitrano ambony ka hoy ireo: Angamba mbola mivoaka ao amin’ny trano mangatsiatsiaka izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 3:24
4 Rohy Ifampitohizana  

Ny mpanjaka tamin’izay dia nipetraka tao amin’ny efitrano fihatsiatsiahana izay natokana ho azy teo an-tampontrano. Ary nanatona azy i Ehoda ka nanao hoe: –Misy teny avy amin’Andriamanitra nentiko ho anao. Dia nitsangana niala teo amin’ny sezany ny mpanjaka.


Taorian’izany, rehefa avy nandrindrina sy nanidy ny varavaran’ilay efitrano i Ehoda, dia nivoaka avy teo am-baravarankely.


Niandry teo ivelany izy ireo ambara-pahavelon’ahiahy azy, kinanjo tsy mbola nisy namoha ihany ny varavarana. Dia naka ny fanalahidy ireo ka namoha ny trano, ary indro ny tompony maty mitsitra eo amin’ny tany.


Ary i Saoly naka telo arivo lahy izay notsongaina tamin’i Israely manontolo, ka lasa nitady an’i Davida sy ny olony izay teo anoloan’ny Vatolampin’ny Osidia.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra