Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 3:2 - DIEM PROTESTANTA

2 tian’ny Tompo mba hianatra hiady manko ny taranaka vaovao izay tsy mbola nahalala ady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 izany dia mba ho fampahafantarana fotsiny ny Zanak’Israely amin’ny alalan’ny fahaiza-miady, indrindra fa ireo izay tsy mbola nahita izany teo aloha;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 tian’ny Tompo mba hianatra hiady manko ny taranaka vaovao izay tsy mbola nahalala ady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Ary hany nokendreny tamin’izany dia fampianarana ny taranak’i Israely sy hampahaizany hiady, dia ho an’izay tsy mbola nahalala izany taloha ahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak’Isiraely izany amin’ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak'Isiraely izany amin'ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 izany dia mba ho fampahafantarana fotsiny ny Zanak’Israely amin’ny alalan’ny fahaiza-miady, indrindra fa ireo izay tsy mbola nahita izany teo aloha;

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 3:2
13 Rohy Ifampitohizana  

afa-tsy ny avy amin’ny hazo fahalalàna ny tsara sy ny ratsy, satria amin’ny andro izay hihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.»


Saingy fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ary ho tonga tahaka an’Andriamanitra ianareo ka hahalala ny tsara sy ny ratsy.


Dia nahiratra ny mason’izy mivady ka fantany fa mitanjaka izy. Ary nanjaitra ravin’aviavy izy roa ka nataony sikina ho azy.


Kanefa hilefitra hanompo an’i Sisàka ihany izy ireo, mba hahafantarany fa tsy mitovy ny manompo Ahy sy ny manompo ireo mpanjakan’ny tany vahiny.


Izany no voalazako taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amin’ny firaisana amiko. Eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa mahereza, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao!


Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiaina-maharitra mandrakizay, fa ho any amin’izany fiainana izany no niantsoan’Andriamanitra anao fony ianao nanambara ilay fiekem-pinoana fatratra teo anatrehan’ny vavolombelona maro.


Aoka hiaritra fijaliana miaraka amiko ianao, toy ny miaramila tsaran’i Kristy Jesoa.


Ny ady tsara no efa vitako, tratrako ny tanjon’ny fihazakazahana, voatanako ny finoana.


Ireo firenen-kafa ireo moa no navelan’ny TOMPO haharitra teo amin’ny tany dia mba hizahany toetra ny Israelita rehetra izay tsy mbola nandray anjara tamin’ny ady nahazoana an’i Kanahàna;


Koa ireto avy àry ireo firenen-kafa ireo: ny mponina tamin’ny fanjakana dimin’ny Filistinina, ny Kanahanita rehetra, ny Tsidônianina, ary ny Hivita izay nipetraka tany amin’ny tendrombohitra Libano, manomboka hatreo an-tendrombohitra Bahala-Hermôna ka hatrany Lebô-Hamata.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra