Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 20:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Kinanjo tamin’io andro faharoa io dia nivoaka avy tao Gibehà ny Benjaminita ka nandringana andiany 18 indray tamin’ny vatan-dehilahy israelita, dia lehilahy kinga famely sabatra avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Dia niala avy tany Gibea ny Benjamina hiady aminy indray tamin’ny andro faharoa ka naharingana valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin’ny tany tamin’ny Zanak’Israely; lehilahy nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Kinanjo tamin’io andro faharoa io dia nivoaka avy tao Gibehà ny Benjaminita ka nandringana andiany 18 indray tamin’ny vatan-dehilahy israelita, dia lehilahy kinga famely sabatra avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Ka nivoaka avy ao Gabaà hamely azy ny taranak’i Benjamina tamin’io andro faharoa io, ary lehilahy valo arivo sy iray alina, samy mahatan-tsabatra tamin’ny zanak’i Israely no nataony maty niampatra tamin’ny tany indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin’ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak’ Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin’ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin'ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak'Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Dia niala avy tany Gibea ny Benjamina hiady aminy indray tamin’ny andro faharoa ka naharingana valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin’ny tany tamin’ny Zanak’Israely; lehilahy nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 20:25
11 Rohy Ifampitohizana  

Tsia, sanatria aminao ny hanao izany! Raha hovonoinao miaraka amin’ny meloka ny marina, dia hitovy ny marina sy ny meloka. Sanatria Anao izany! Ianao Izay mpitsara ny tany tontolo ve no tsy hitandro ny rariny.


I Benjamîna dia toy ny amboadia masiaka: Ny maraina izy homan-dremby; ny hariva, mizara babo.


Rahona sy zavona mikitroka no manodidina Azy; rariny sy hitsiny no iorenan’ny fanjakany.


Hatramin’ny andron’ilay raharaha izay niseho tao Gibehà no efa nanota i Israely, ary tsy niova tamin’izany izy. Koa tsy rariny ve raha ao Gibehà ny ady no hahatratra ireo olon-dratsy ireo?


Endrey tsy hita pesimpesenina ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Endrey tsy takatry ny saina ny fitsarany ary tsy azo fantarina ny lalany! Ka hoy ny Soratra Masina hoe:


Maditra ianao ary tsy mety mamerina ny fonao aminy, ka dia fahatezeran’Andriamanitra no avosanao ho an’ny tenanao. Fa ho avy ny andro hampisehoan’Andriamanitra ny fahatezerany sy hitsarany an-karihary ny olombelona ara-drariny,


Koa raha asehon’ny tsy rariny vitantsika fa marina Andriamanitra, inona no holazaintsika? Zavatra tsy rariny ve ny ataon’Andriamanitra raha ampihariny amintsika ny hatezerany? (Araka ny fiheveran’ny besinimaro no itenenako).


Nivoaka avy tao an-tanàna kosa ny Benjaminita, ka naharingana Israelita andiany 22 izay niampatrampatra tamin’izany andro izany.


Tamin’ny andro faharoa no nanatona hamely ny Benjaminita indray ny Israelita.


Ary nandeha niakatra tany Betela ny Israelita rehetra sy ny tafiny manontolo ka nipetraka nitomany teo anatrehan’ny TOMPO; tamin’izay dia nifady hanina mandra-paharivan’ny andro izy sady nanao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo anatrehan’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra