Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 20:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Dia nifanaraka ny Israelita rehetra fa hiray hina toy ny olona iray hamely an’i Gibehà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Dia nivory ny lehilahy rehetra tamin’ny Israely ka nikambana tahaka ny olona iray hamely ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Dia nifanaraka ny Israelita rehetra fa hiray hina toy ny olona iray hamely an’i Gibehà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Toy izany no nivorian’ny lehilahy rehetra amin’i Israely, tafakambana toy ny olona iray ihany, hamely ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Dia nivory ny lehilahy rehetra amin’ny Isiraely ka efa nikambana tahaka ny olona iray hamely ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely ka efa nikambana tahaka ny olona iray hamely ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Dia nivory ny lehilahy rehetra tamin’ny Israely ka nikambana tahaka ny olona iray hamely ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 20:11
5 Rohy Ifampitohizana  

Dia niainga ny Israelita rehetra ary tafangona toy ny olona iray izy hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba sy hatrany amin’ny faritr’i Gilehada no nivory teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà.


Antsapaka no hifidianantsika ny ampahafolon’ny vatan-dehilahy isaky ny fokon’i Israely, izany hoe zato amin’ny arivo, na arivo amin’ny iray alina; ka ireo no hamatsy ny andian-tafika izay handeha hanafay an’i Gibehà tanàna benjaminita, araka ny zava-pady nafitsony teto Israely.


Koa nandefa iraka ho any amin’ny faritanin’i Benjamîna manontolo ny foko tsirairay avy hanao hoe: –Ahoana izao heloka mahatsiravina nitranga teto aminareo izao?


Dia nitsangana toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: –Tsy hisy olona hiverina any an-dainy na hody any an-tranony isika.


Rehefa vita ny resak’i Saoly sy i Davida, dia voasinton’i Davida ny fon’i Jônatàna, fa tiany tahaka ny itiavany ny tenany i Davida.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra