Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 19:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Saingy tsy nanaiky hijanona intsony ralehilahy fa niainga ihany; ary nandeha niaraka taminy ny vadikeliny sy ireo boriky roa efa nisy lasely. Dia tonga teo amin’ny tandrifin’i Jebosa na hoe i Jerosalema izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Tsy nety nijanona handany ny alina intsony anefa Ralehilahy fa niainga izy ka nandeha dia tonga tandrifin’i Jebosa na Jerosalema, niaraka tamin’ny boriky roa samy voaisy lasely ary koa ny vady tsindranony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Saingy tsy nanaiky hijanona intsony ralehilahy fa niainga ihany; ary nandeha niaraka taminy ny vadikeliny sy ireo boriky roa efa nisy lasely. Dia tonga teo amin’ny tandrifin’i Jebosa na hoe i Jerosalema izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Tsy nety handry intsony anefa ralehilahy fa nitsangana izy, ka dia lasa. Tonga hatrany an-tandrifin’i Jebosy izy, dia Jerosalema izany, ary niaraka taminy ny ampondra roa samy voaisy lasely sy ny vady tsindranony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy tamin’izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin’i Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy voaisy lasely no nentiny, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy tamin'izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin'i Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy voaisy lasely no nentiny, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Tsy nety nijanona handany ny alina intsony anefa Ralehilahy fa niainga izy ka nandeha dia tonga tandrifin’i Jebosa na Jerosalema, niaraka tamin’ny boriky roa samy voaisy lasely ary koa ny vady tsindranony.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 19:10
7 Rohy Ifampitohizana  

Nankany Jerosalema hiady amin’ny Jebôsita tompon-tany ny mpanjaka sy ny olony; nefa hoy ny Jebôsita tamin’i Davida: –Tsy ho tafiditra atỳ ianao, fa na ny jamba sy ny mandringa aza dia hahasakana anao. Izany no fomba nilazan’ny Jebôsita fa tsy ho tafiditra ao mihitsy i Davida.


Ireo Jebosita izay mponina tao Jerosalema kosa dia tsy voaroakan’ny taranak’i Joda, ka mbola miara-monina aminy ao Jerosalema mandraka androany.


dia miakatra ny lohasahan’i Hinôma, amin’ny ilany atsimo manamorona ilay havoana misy ny Jebosita (dia i Jerosalema izany); dia mitohy miakatra ho any an-tampon’ilay tendrombohitra izay eo andrefan’ny lohasahan’i Hinôma sy eo amin’ny farany avaratry ny lohasahan’ny Refaîta;


i Tselà, i Elefa, ny tanànan’ny Jebosita (izany hoe i Jerosalema), i Gibehata, ary i Kiriata; izany hoe tanàn-dehibe 14 samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy. Izany no zaratany nolovan’ny Benjaminita ho an’ireo tarika ao anatiny.


Dia nanafika an’i Jerosalema ny vatan-dehilahin’i Joda ka nahazo azy; ary novonoiny tamin’ny sabatra ny mponina sady nodorany ny tanàna.


Ary nony efa tena handeha ilay levita sy ny vadikeliny ary ny zatovony, dia hoy ny rafozan-dahiny tamin’ilay vinanto: –Indro efa tolaka ny andro ary efa ho hariva mihitsy koa mandria aloha anio alina. Indro efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto ary aoka hifaly ny fonao! Rahampitso dia hifoha maraina be ianareo ka handeha hody any aminao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra