Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 18:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Koa izao no nambarany: –Ndeha isika hanafika ny olona ao Laîsy. Araka ny hitanay manko dia tsara mihitsy ny faritany. Koa aza mijanonjanona eto foana ianareo fa andao haingana haka io faritany io isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Dia hoy ireo: Mitsangàna ka aoka isika hiakatra hamely azy. Efa nahita ny tany izahay fa indro, tena tany tsara. Kanefa ianareo tsy misy miteny! Aza malain-kandeha hiditra handray ny tany!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Koa izao no nambarany: –Ndeha isika hanafika ny olona ao Laîsy. Araka ny hitanay manko dia tsara mihitsy ny faritany. Koa aza mijanonjanona eto foana ianareo fa andao haingana haka io faritany io isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ka hoy ny navaliny: «Mitsangàna, miakara isika hamely an’ireny, fa efa hitanay ny tany, ka indro fa tany soa indrindra, ka no mipetraka eo foana tsy miteny tsy mivolana ianareo? Aza milasilasy amin’ny fandehanana haka izany tany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Dia hoy izy: Mitsangàna, ka aoka isika hiakatra hamely azy; fa efa nahita ny tany izahay, fa, indro, tsara indrindra izany; moa mbola mijanonjanona ihany va hianareo? aza malain-kandeha hiditra handova ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Dia hoy izy: Mitsangàna, ka aoka isika hiakatra hamely azy; fa efa nahita ny tany izahay, fa, indro, tsara indrindra izany; moa mbola mijanonjanona ihany va ianareo? aza malain-kandeha hiditra handova ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Dia hoy ireo: Mitsangàna ka aoka isika hiakatra hamely azy. Efa nahita ny tany izahay fa indro, tena tany tsara. Kanefa ianareo tsy misy miteny! Aza malain-kandeha hiditra handray ny tany!

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 18:9
13 Rohy Ifampitohizana  

Mahereza ianao, ary aoka isika hahery miady ho an’ny firenentsika sy ireo tanànan’Andriamanitsika. Ary aoka ny TOMPO hanao izay heveriny ho tsara.


Ankehitriny, raha ny TOMPO efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ireto mpaminaninao rehetra ireto, dia satria IZY mihitsy no efa nilaza ny loza hanjo anao.


Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’ny manamboninahiny: «Fantatrareo tsara fa antsika ny tanànan’i Ramôta any Gilehada, koa inona no isalasalantsika tsy haka izany amin’ny mpanjakan’i Siria?»


Nampanginin’i Kaleba ny vahoaka izay nimonomonona tamin’i Mosesy ka nataony hoe: –Aoka hiakarantsika ny tany ka halaintsika fa haharesy azy tokoa isika.


Aoka hiasa ianareo, tsy hoe hahazoana ny sakafo mety levona, fa hahazoana ny sakafo matàna ho aina maharitra mandrakizay, dia ilay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no efa nasian’Andriamanitra ny mariky ny fahefana nomeny Azy.


Ka hoy i Josoa tamin’ireo Israelita ireo: –Mandra-pahoviana no hiandrasanareo tsy handeha handray ny tany izay nomen’ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo anareo?


Fa raha tonga any ianareo dia hamantana mponina tsy manana ahiahy ao anatin’ny faritany midadasika. Hatolotr’Andriamanitra anareo izany faritany misy ny ilaina rehetra eto ambonin’ny tany izany.


Dia niverina nankany Tsôrehà sy Estaôla ireo iraka ary nofotorin’ireo mpiray foko aminy momba ny zavatra hitany.


Mahereza, ry Filistinina, mbà tena lehilahy raha tsy tiantsika ny hoziogain’ny Hebreo tahaka izay nataontsika taminy fahiny; koa misehoa ho tena lehilahy tokoa isika ary miadia.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra