Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 18:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Nalain’ireo Danita ny sampy nataon’i Mikà sy ny mpisorony, dia lasa izy nanafika an’i Laîsy; ka naringany tamin-tsabatra ny mponina tao izay nandry feizay tsy nanana ahiahy, ary nodorany ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Nalain’izy ireo ary ny zavatra nataon’i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy. Notafihany i Laisy, izay olona mandry fehizay sady tsy manana ahiahy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra; ary nodorany tamin’ny afo ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Nalain’ireo Danita ny sampy nataon’i Mikà sy ny mpisorony, dia lasa izy nanafika an’i Laîsy; ka naringany tamin-tsabatra ny mponina tao izay nandry feizay tsy nanana ahiahy, ary nodorany ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Toy izany no nangalan’izy ireo izay nataon’i Mikasy mbamin’ny mpisorona niasa ho azy, dia nandroso namely ny tao Laïsa, izay vahoaka nandry feizay sy tsy nanana ahiahy, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra, ary ny tanàna nodorany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Ary izy ireo naka izay zavatra efa nataon’i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany Laisy ho any amin’ny olona mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy tamin’ny lelan-tsabatra ireo; ary ny tanàna nodorany tamin’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Ary izy ireo naka izay zavatra efa nataon'i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany Laisy ho any amin'ny olona mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ireo; ary ny tanàna nodorany tamin'ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Nalain’izy ireo ary ny zavatra nataon’i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy. Notafihany i Laisy, izay olona mandry fehizay sady tsy manana ahiahy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra; ary nodorany tamin’ny afo ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 18:27
8 Rohy Ifampitohizana  

I Dana dia hifehy ny vahoakany tahaka ny foko hafa ao amin’i Israely.


Ny amin’ny taranak’i Dana, dia hoy i Mosesy hoe: «Ny fokon’i Dana dia tahaka ny vanton-diona izay miantoraka avy ao Basàna.»


ary nasainy naringana avokoa ny olona rehetra tao; tsy nisy zava-manana aina niangàna mihitsy, sady nodorana ny tanàna.


Nony tsy voatanan’ny Danita io faritany io, dia nianavaratra ireo ka niady tamin’i Lesema. Nalainy ny tanàna ary naringany tamin’ny sabatra ny mponina tao; lasany tanteraka i Lesema ka nipetrahany. Ary i Lesema dia nantsoiny hoe Dana, araka ny anaran’i Dana razambeny.


Fa raha tonga any ianareo dia hamantana mponina tsy manana ahiahy ao anatin’ny faritany midadasika. Hatolotr’Andriamanitra anareo izany faritany misy ny ilaina rehetra eto ambonin’ny tany izany.


Ary nanohy ny diany ihany ny Danita. Rehefa hitan’i Mikà kosa fa nahery noho ny tenany ireo, dia niverin-dàlana nody tany aminy izy.


Koa nanohy ny diany izy dimy lahy ary tonga tany Laîsy. Hitany fa nilamina ny mponina tao, ka nandry feizay sy tsy manana ahiahy tahaka ny Tsidônianina. Tsy nanana hokianina amin’izay mpitondra azy ny olona. Fa niaina lavitra ny Tsidônianina ireo olona ireo ary tsy niankina tamin’i Arama.


Ny lalan’ny mpifindrafindra lasy, teo atsinanan’ny faritra misy ny tarika Nôba sy ny tanàna Jôgbôhà, no narahin’i Gidehôna ka namelezany ny tobin’ny fahavalony izay tsy nanampo akory.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra