Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 17:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Dia hoy i Mikà taminy: –Mijanòna eto amiko fa hataoko mpisorona ato anatin’ny fianakaviako ianao. Sekela volafotsy folo isan-taona sy fitafiana ary sakafo izay ilainao no homeko anao. Dia niditra ny trano ilay levita,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Dia hoy i Mika taminy: Mitoera atỳ amiko ianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko ianao, dia homeko sekela volafotsy folo isan-taona sy fitafiana ampy ary sakafo. Dia lasa nandeha ilay levita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Dia hoy i Mikà taminy: –Mijanòna eto amiko fa hataoko mpisorona ato anatin’ny fianakaviako ianao. Sekela volafotsy folo isan-taona sy fitafiana ary sakafo izay ilainao no homeko anao. Dia niditra ny trano ilay levita,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Dia hoy i Mikasy taminy: «Mitoera atỳ amiko, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko ianao, fa omeko vola folo sikla isan-taona, mbamin’ny fitafiana ilainao sy ny sakafo.» Dia niditra ilay Levita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Dia hoy Mika taminy: Mitoera atỳ amiko hianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko, dia homeko sekely folo volafotsy isan-taona sy fitafiana ary hanina. Dia niditra ilay Levita.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Dia hoy Mika taminy: Mitoera atỳ amiko ianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko, dia homeko sekely folo volafotsy isan-taona sy fitafiana ary hanina. Dia niditra ilay Levita.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Dia hoy i Mika taminy: Mitoera atỳ amiko ianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko ianao, dia homeko sekela volafotsy folo isan-taona sy fitafiana ampy ary sakafo. Dia lasa nandeha ilay levita.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 17:10
17 Rohy Ifampitohizana  

Tsy ianareo no nandefa ahy taty fa Andriamanitra mihitsy, ary mbola Izy ihany no nametraka ahy ho mpandraharaha faratampon’ny Farao sy ho mpanapaka izay rehetra ao an-tranon’ny Farao ary ho mpitondra an’i Ejipta manontolo.


Raha voan’ny aretina hahafaty azy i Elisà, dia lasa hamangy azy i Jôasy mpanjakan’i Israely ary nihohoka teo ambony tavan’i Elisà izy ka sady nitomany no nanao hoe: –Ry dada ô! Ry dada ô! Mahery mihoatra noho ny kalesin’i Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny rehetra ianao!


Rehefa nijery izany i Elisà, dia niantsoantso hoe: –Ry dada ô, ry dada ô, mahery noho ireo kalesin’i Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny ianao! Nony tsy hitan’i Elisà intsony i Elià, dia notriariny roa ny fitafiany.


Nony nahita ireo miaramila rehetra ireo ny mpanjakan’i Israely, dia niteny tamin’i Elisà hoe: –Ry ikaky, hasiako ho faty ve ireo?


Eny efa tonga ray ho an’ny mahantra aho; ary nandray an-tanana ny olan’ireo vahiny.


ka hampitafiako ny akanjonao, sy hampietràko ny fehikibonao ary hotolorako ny fahefànao. Ho an’ny mponin’i Jerosalema sy ny fanjakan’i Joda dia hanjary ray i Eliakima.


Manala baràka Ahy eo anatrehan’ny vahoakako ianareo noho izay vary eran’ny tanana ila na izay sombimofo vitsivitsy. Raha andainganareo ny vahoakako mora fahanan-dainga, dia mahafaty izay tsy tokony ho faty ianareo ary mamelona izay tsy tokony ho velona.›


ka nanao taminy hoe: –Homenareo hoatrinona aho hanolorako anareo an’i Jesoa? Dia nanisa sekela volafotsy telopolo homena an’i Jodasy ry zareo.


Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nitenenany an’izany fa noho izy mpangalatra: mpitana ny kitapom-bola izy ary naka izay nalatsaka tao anatiny.


Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra; ny olona sasany, fatra-pitady izany, dia efa tafavily niala tamin’ny finoana, ka nandefon-tena tamin’ny fijaliana maro.


Aoka ianareo ho mpiandry ny andianondry napetrak’Andriamanitra hiandraiketanareo, ka hitandrina azy tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra: tsy amim-pitiavan-karena fa amin-jotom-po,


ary nanaiky hitoetra tao amin’i Mikà izay nitondra azy toy ny zanany lahy.


Dia nanontany azy i Mikà hoe: –Avy aiza moa ianao? Ka novaliany hoe: –Levita avy any Betlehema any Joda aho, fa mandeha hivahiny any amin’izay azoko hitoerana.


Dia namaly azy izy hoe: –Zavatra isan-karazany no nataon’i Mikà tamiko; izy no manarama ahy, ka dia tonga mpisorony aho.


Ary izay sisa amin’ny fianakavianao dia handohalika eo anatrehan’ny mpisorona mba hahazo vola kely sy tapa-mofo, ka hanao aminy hoe: ‹Mba miangavy re, tompoko, omeo izay asa azoko anampiana ny mpisorona aho, mba sitrany ahay mofokely hohaniko›.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra