Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 1:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Dia nankany amin’ny tanin’ny Hetita ralehilahy ka nanorina tanàna anankiray nantsoiny hoe Lozy; ka mbola izany ihany no anarana entiny mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ary nandeha ho any amin’ny tanin’ny Hetita Ralehilahy ka nanorina tanàna ary ny anarany nataony hoe Lozy; mbola izany ihany no anarany mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Dia nankany amin’ny tanin’ny Hetita ralehilahy ka nanorina tanàna anankiray nantsoiny hoe Lozy; ka mbola izany ihany no anarana entiny mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Any amin’ny tanin’ny Heteanina no nalehan-dralehilahy, dia nanorina tanàna izy, nomeny anarana hoe Lozy, mbola anarany mandraka androany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary nandeha ho any amin’ny tanin’ny Hetita ralehilahy, ka nanorina tanàna izy, ary ny anarany dia nataony hoe Lozy, ary mbola izany ihany no anarany mandraka andro-any.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary nandeha ho any amin'ny tanin'ny Hetita ralehilahy, ka nanorina tanàna izy, ary ny anarany dia nataony hoe Lozy, ary mbola izany ihany no anarany mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Ary nandeha ho any amin’ny tanin’ny Hetita Ralehilahy ka nanorina tanàna ary ny anarany nataony hoe Lozy; mbola izany ihany no anarany mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 1:26
4 Rohy Ifampitohizana  

Ny tobin’ny Sirianina manko efa nampandrenesan’ny Tompo firohondrohon-kalesy sy firiotran-tsoavaly ary firodorodon-tafika goavana. Dia nifampiresaka ny Sirianina nanao hoe: «Efa nokaramain’ny mpanjakan’i Israely ireo mpanjaka hetita sy ejiptianina mba hiady amintsika!»


Ny kalesy fitondra miady anankiray nentin’ny mpandranto niakatra avy tany Ejipta dia sekela volafotsy eninjato, ary ny soavaly anankiray kosa dia nitentina sekela volafotsy 150; toy izany vidiny izany koa no nitondran’ireo mpandranto ireo ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ho an’ny mpanjakan’i Siria.


Dia natoron-dralehilahy azy ny fomba hidirany ao an-tanàna. Koa naringan’ireo tamin’ny sabatra ny mponina tao an-tanàna, fa ilay lehilahy sy ny fianakaviany manontolo kosa navelany handeha.


Ary ny taranak’i Manase dia tsy naharoaka ny mponina tao Bety-Seàna sy Tahenàka na ny tao Dôra sy Jiblehama ary Megidao na tamin’ireo tanàna madinika samy miankina aminy avy; koa nanohy nipetraka tamin’izany faritany izany hatrany ny Kanahanita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra