Mika 7:11 - DIEM PROTESTANTA11 Ho avy ny andro hananganana indray ny màndan’ny renivohitrao, ry Joda; ka amin’izany andro izany, dia hitarina lavitra kokoa ny faritry ny taninao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201111 E, ny andro hananganana ny mandanao, fa amin’izany andro izany dia hitarina ny faritrao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara11 Ho avy ny andro hananganana indray ny màndan’ny renivohitrao, ry Joda; ka amin’izany andro izany, dia hitarina lavitra kokoa ny faritry ny taninao. Jereo ny tokoBaiboly Katolika11 Ho avy ny andro hananganana ny mandanao indray; amin’izany andro izany hofoanana ny didy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy11 He ny andro hananganana ny màndanao! Amin’izany andro izany dia hitarina ny faritra. Jereo ny tokoMalagasy Bible11 He ny andro hananganana ny mandanao! Amin'izany andro izany dia hitarina ny faritra. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache11 E, ny andro hananganana ny mandanao, fa amin’izany andro izany dia hitarina ny faritrao. Jereo ny toko |
Aoka hisy taratasy homena ahy koa ho an’i Asafa mpiandraikitra ny alam-panjakana mba hanomezany hazo ahy hatao amin’ny varavaran’ny trano fiarovana manolotra ny tempoly sy amin’ny mandan’ny tanàna ary amin’ny trano hitoerako. Dia nomen’ny amperôra ahy ireo taratasy ireo, araka ny fiarovana nanambinan’Andriamanitra ahy.
Izao no aoka ho fantatrao sy ho azonao: manomboka amin’ny fotoana nivoahan’ny hafatra mampanamboatra indray an’i Jerosalema, ka hatramin’ny fotoana isehoan’ilay mpitarika voahosotra, dia hisy fito taona impito. Avy eo, mandritra ny fito taona in-62 dia hamboarina indray ny tanàna sy ny hady, nefa ho androm-pahoriana izany.