Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 7:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Indrisy, tahaka ny olona mioty aviavy aorian’ny fiotazam-boankazo aho ka tsy mahita aviavy masaka ifotony izay ankafiziko tokoa; ary tahaka ny olona mitsimpona sampaho aorian’ny fiotazam-boaloboka aho, ka tsy mahita voaloboka firy hohanina!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Lozako! Fa efa toy ny mpioty voankazo aho ary toy ny mpitsimpom-boaloboka: Tsy misy salohy hohanina, na aviavy mialin-taona izay mampilendalenda ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Indrisy, tahaka ny olona mioty aviavy aorian’ny fiotazam-boankazo aho ka tsy mahita aviavy masaka ifotony izay ankafiziko tokoa; ary tahaka ny olona mitsimpona sampaho aorian’ny fiotazam-boaloboka aho, ka tsy mahita voaloboka firy hohanina!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Indrisy! Ity izaho toy ny rehefa vita ny fitoazam-boankazo fahavaratra, toy ny rehefa vita ny fitsimponam-boaloboka efa voaoty: tsy misy salohy iray akory hohanina! Ny voaloham-boan’aviavy, izay tsiriritin’ny fanahiko, tsy misy na iray aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 LOZAKO! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialintaona, izay irin’ny fanahiko,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Lozako! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialin-taona, izay irin'ny fanahiko,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Lozako! Fa efa toy ny mpioty voankazo aho ary toy ny mpitsimpom-boaloboka: Tsy misy salohy hohanina, na aviavy mialin-taona izay mampilendalenda ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 7:1
14 Rohy Ifampitohizana  

Dirandoza aho fa vahinin’olon-dia, niantrano tany amin’ny baribarianina!


Maro ny olona samy midera tena ny amin’ny soa vitany; fa sarotra kosa ny mahita izay olona mahatoky marina.


ka tsy hisy amin’ny taranak’i Jakôba afa-tsy sombintsombiny sisa hotsimponina. Ary ho tahaka ny fanintsanana voan’ôliva izany, ka voany roa na telo no sisa eny an-tendrony, efatra na dimy eny amin’ny rantsany mahavokatra. Izany no teny hentitry ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely.


Ny eto ambonin’ny tany sy eo anivon’ireo firenena dia ho tahaka ny ôliva avy nahintsana sy ho tahaka ny voaloboka avy notazana ka tsy ahitana zavatra firy intsony.


Hatrany am-paran’ny tany no andrenesanay hira hoe: «Voninahitra anie ho an’Ilay Marina!» Fa hoy kosa aho anakampoko hoe: «Vita ny amiko, vita ny amiko.» Lozan’ireo mpamadika! Mamadika tokoa ny mpamadika; eny, mamadika hatrany izy.


Ho voahitsakitsaka am-paladia ny voninkazo mihamalazo izay haingony marevaka terỳ an-tendron’ny lohasaha lonaka. I Samaria dia ho tahaka ny voan’aviavy masaka alohan’ny fahavaratra, ka izay mahita azy dia hioty ary hitelina azy indraim-bava.


Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»


Lozako, ry Neny nahitako masoandro! Tsy misy olona toherina sy ilàna ady hoatra ahy eto amin’ny tany manontolo. Tsy nampanjana-bola aho na nisambotra volan’olona, nefa ozonin’ny olon-drehetra.


Ny sobika voalohany dia nisy aviavy tsara dia tsara toy ny aviavy masaka voalohany. Ny sobika faharoa kosa nisy aviavy ratsy loatra ka tsy azo hanina.


Nandre feo toy ny an’ny vehivavy miteraka aho, dia kiakiakan’ny vehivavy miteraka ny voalohan-janany. Feon’ireo mponin’i Tsiôna izany, dia ireo mponina misefosefo sady maninji-tanana miangavy hoe: «Lozanay fa reraka ny ainay noho ny ataon’ireo mpamono olona!»


«Idiran-doza aho, hoy ianao, fa ampian’ny TOMPO alahelo indray ny fahoriako; efa sasatry ny misento aho fa tsy mba misy hitsaharana!»


Mandehana mivezivezy eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo; dia jereo tsara sy hadihadio, tadiavo eny amin’ny toera-malalaka raha mahita olona anankiray manao ny mahitsy sy ny rariny ianareo; fa raha mahita anankiray monja ianareo dia havelako ny helok’i Jerosalema.


«Tahaka ny voaloboka any an-taniefitra no nahitako an’i Israely, tahaka ny aviavimbazaha masaka aloha indrindra no nahitako ny razanareo. Saingy rehefa mby tao Bahala-Pehôra izy, dia nanokan-tena ho amin’ny henatra ka tonga maharikoriko toy ilay Bahala notiaviny ihany.


Eny, ho anareo avokoa ny santa-bokatry ny taniny, izay hateriny amiko. Izay rehetra madio ao an-tranonareo dia afaka hihinana izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra