Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 8:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Fa hoy i Jesoa taminy: –Andao hiaraka amiko; avelao izy samy maty no hifandevina!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Saingy hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Fa hoy i Jesoa taminy: –Andao hiaraka amiko; avelao izy samy maty no hifandevina!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 fa hoy i Jesoa taminy: «Manaraha Ahy, fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Fa hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Fa hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 8:22
17 Rohy Ifampitohizana  

Dia nandao ny omby i Elisà, ka nihazakazaka nanaraka an’i Elià sady nanao hoe: –Avelao aho aloha hanoroka ny raiko sy ny reniko vao hanaraka anao. Ary hoy i Elià taminy: –Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho!


Dia nisy olon-kafa, anisan’ny mpianatr’i Jesoa, nilaza taminy hoe: –Tompo ô, avelao aho aloha handevina an’i dada!


Raha niala teo i Jesoa, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo amin’ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy: –Avia hiaraka amiko. Dia nitsangana i Matio ka nandeha niaraka taminy.


Raha nandalo i Jesoa, dia nahita an’i Levỳ zanakalahin’i Halfeo nipetraka teo amin’ny birao famorian-ketra ary hoy i Jesoa taminy: –Avia hiaraka amiko! Dia nitsangana i Levỳ ka nandeha niaraka taminy.


satria ity zanako ity: efa maty no velona indray, ary efa very no hita indray!» Dia nanomboka ny fihinanam-be aman-korana izy rehetra.


Fa tsy maintsy atao ny fihinanam-be aman-korana, satria io rahalahinao io: efa maty no velona indray, ary efa very no hita indray.»


Hoy kosa i Jesoa tamin’ny anankiray hafa: –Andao hiaraka amiko! Dia izao no navalin’io: –Avelao aho aloha, Tompoko, handevina an’i dada!


Fa hoy i Jesoa taminy: –Avelao izy samy maty no hifandevina, fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakàn’Andriamanitra!


Ny ampitson’iny, dia niroso nankany amin’ny faritany Galilea i Jesoa; tafahaona tamin’i Filipo Izy ary nanao taminy hoe: –Avia hiaraka amiko!


(Izany voalazan’i Jesoa izany, dia manambara ny karazam-pahafatesana hanomezan’i Petera voninahitra an’Andriamanitra). Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe: –Avia hiaraka amiko!


Dia hoy i Jesoa tamin’i Petera: –Raha tiako haharitra mandra-piaviko izy, ahoanao izany? Fa ianao, avia hiaraka amiko!


Fahiny ianareo dia maty ara-panahy noho ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.


ka fony mbola maty ara-panahy isika noho ny fahadisoantsika, dia novelominy indray niaraka tamin’i Kristy. Fahasoavan’Andriamanitra no namonjena anareo!


eny, izay rehetra miharihary dia tonga mazava. Izany no ilazana hoe: «Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangàna ho velona avy any amin’ny maty, dia hampahazava anao i Kristy.»


Maty ara-panahy ianareo fahiny noho ny fahadisoanareo ary noho ianareo tsy voafora tamin’ny maha olona mpanota; ankehitriny kosa, dia novelomin’Andriamanitra niaraka amin’i Kristy ianareo, rehefa navelany avokoa ny fahadisoantsika.


Fa ny mpitondratena, manaram-po amin’ny fahafinaretana, dia efa maty fanahy mbola velona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra