Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 8:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Nony hariva ny andro, dia maro ny azon’ny demony no nentin’ny olona teo amin’i Jesoa; teny fotsiny no nataon’i Jesoa handroahana ireny fanahy ratsy ireny. Ary izay rehetra narary dia nositraniny avokoa;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ary nony hariva ny andro dia noentin’ny olona tany Aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no nandroahany ny fanahy ratsy, koa izay rehetra narary dia nositraniny avokoa

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Nony hariva ny andro, dia maro ny azon’ny demony no nentin’ny olona teo amin’i Jesoa; teny fotsiny no nataon’i Jesoa handroahana ireny fanahy ratsy ireny. Ary izay rehetra narary dia nositraniny avokoa;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Ary nony hariva ny andro, dia maro ny azon’ny demony nentina teo aminy, ka teny indraimbava no nandroahany ny fanahy ratsy, ary nositraniny avokoa izay rehetra narary,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary nony hariva ny andro, dia nentin’ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary nony hariva ny andro, dia nentin'ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Ary nony hariva ny andro dia noentin’ny olona tany Aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no nandroahany ny fanahy ratsy, koa izay rehetra narary dia nositraniny avokoa

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 8:16
17 Rohy Ifampitohizana  

Hoy Izy taminy: «Raha ankatoavinareo tokoa Aho TOMPO Andriamanitrareo, ka ataonareo izay heveriko ho marina, raha henoinareo ny didiko, ka tandremanareo ny fitsipiko dia tsy hisy hataoko aminareo ny aretina rehetra izay namelezako ny Ejiptianina, satria Izaho no TOMPO Izay manasitrana anareo.»


Tamin’izay dia nisy lehilahy azon’ny demony nentina teo amin’i Jesoa. Jamba sy moana ralehilahy ka nositranin’i Jesoa ary dia niteny sy nahita.


Rehefa nidina avy ao an-tsambokely i Jesoa, dia nahita vahoaka marobe, ka onena azy ka nanasitrana ny marary teo aminy.


Nokasihin’i Jesoa ny tanan-dravehivavy; ary nialan’ny tazo ravehivavy dia nitsangana nandroso sakafo ho an’i Jesoa.


Nandositra kosa ireo mpiandry kisoa, ary nankany an-tanàna nilaza ny zava-nitranga rehetra sy ny momba azy roa lahy azon’ny demony teo aloha.


Ary indro nisy lehilahy malemy nilamaka am-pandriana, nentin’olona teo aminy. Hitan’i Jesoa ny finoan’ireto olona, ka hoy Izy tamin’ilay malemy: –Mahereza, anaka; voavela ny helokao!


Dia nisy olona tamy, nitondra lehilahy malemy nolanjain’olona efa-dahy hankeo amin’i Jesoa.


(Satria i Jesoa efa nandidy azy hoe: «Mialà amin’io lehilahy io, ry fanahy maloto!»)


Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe: –Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, mialà amin’io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!


Niantso azy i Jesoa nony nahita azy, ka nanao taminy hoe: –Ramatoa, afaka amin’ny rofinao ianao!


Vao maty kosa ny masoandro, izay rehetra nanana marary azon’ny aretina isan-karazany dia samy nitondra ny azy teo amin’i Jesoa. Nametrahany tanana tsirairay izy ireny, ka nositraniny.


Olona maro koa no nialan’ny demony izay nihiakiaka nanao hoe: «Ianao no ilay Zanak’Andriamanitra!» Norahonan’i Jesoa mafy kosa ny demony sady tsy navelany hiteniteny satria ireo dia nahalala fa Izy no ilay Mesia.


Nentin’ny olona teny amin’ny arabe aza ny marary ka napetrany teo ambony fandriana na tsihy mba hisy hiantefan’ny tandindon’i Petera ahay, raha sendra nandalo izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra